Namoy ny ainy ny lehilahy voatrobaka nifanandrify tamin’ny fony, teny 67 Ha Atsimo, ny alin’ny alakamisy 23 oktobra lasa teo. Vola 2 tapitrisa Ar tsy hita. Norobain’ny mpanendaka miisa efatra, voa mafy teo amin’ny faritry ny fony ka tsy tana ny ain’ny lehilahy iray, teny amin’ny faritry 67 Ha, afakomaly […]
Taratra
Fizarana ny « Prize Money » : Mangataka ny fampitsaharana ny resabe ny Barea
Namoaka fanambarana ny solontenan’ny mpilalaon’ny Barea sy ny mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, omaly, tao amin’ ny tambajotran-tseraseran’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nilaza izy ireo fa tokony hitsahatra ny resabe mahakasika ny “Prize Money” an’ny “Chan 2024”. Efa nisy ny fifandaminana teo amin’izy ireo sy ny FMF. […]
SOMBIM-BAOVAO
Hanatanteraka lalao ara-pirahalahiana eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, anio amin’ny 10 ora maraina, ny CFFA Andoharanofotsy sy ny COSPN Analamanga. Ity fifanandrinana ity izay tafiditra amin’ny fanomanana sahady ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara PFL sy ny Diviziona faharoa nasionaly. Araka ny fikarohana natao, nanavao ny fifanarahana miaraka amin’ny Inter […]
Tae-kwon-do WT : Lany ho filoha i Choue
Tontosa tany Wuxi, Chine, omaly, ny fivoriamben’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny Tae-kwon-do WT. Fotoana nanatanterahina ny fifidianana izay ho filoha hitantana indray ity rafitra voalohany maneran-tany ity. Voafidy hitondra izany mandritra ny efa-taona indray i Choue Chung-Won, 78 taona. Taom-piasana fahafito ho azy izany. Kandidà tsy nisy mpifanandrina izy tamin’ity. Nahazo vato […]
Fifidianana eo anivon’ny tsipy kanetibe : Mampiaka-peo ireo filohana klioba 20 eto Analamanga
Tsy mitovy fomba fijery amin’ny Federasionina malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM) ireo mpitantana klioba ato anatin’ny ligim-paritra Analamanga. Tsy manaiky ny lalàm-pifidianana manome vahana ny FSBM izy ireo ka mitaky ny hanovana izany, hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara. Namory ny mpanao gazety tetsy Antaninarenina, omaly, ireo filohana klioba amin’ny tsipy kanetibe […]




