Taratra

Hetsiky ny GEN Z : Nifarana tamin’ny tora-bato sy doro kodiarana

Nifampiraharaha nandritra ny adin’iray ora sy sasany tamin’ny mpitandro filaminana nanoloana ny farihin’Anosy, voasakana hatrany, ny fikasan’ireo Gen Z hihazo an’Ambohijatovo, omaly. Niafara tamin’ny tora-bato, fandoroana kodiarana sy hikiaka na­taon’ireo tanora mpitolona ny hetsika Gen Z teny Antanim­barinandriana sy Anosy, omaly. Nifampitaona teny an-toerana ireo mpanao fihetsiketsehana. Niatrana tsikelikely teo […]

FANTINA sy FINTINA

Efa tafakatra hatrany amin’ny 2 000 latsaka ny isan’ireo dosie maniry hiditra ho mpikambana eo anivon’ny governemanta voaray eny Ambohitsorohitra. Toerana minisitra eo amin’ny 30 ho eo no iadiana amin’izany, miaraka amin’ny sekreteram-panjakana. Tsiahivina fa efa ho 10 andro izao no nanambaran’ny filoha Rajoelina Andry ny handraisana izany. Hanatanteraka hetsika koa […]

Filoha Rajoelina Andry: « Tsy vahaolana ny korontana »

Nampita hafatra tao amin’ny tambajotran-tserasera ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly sy afakomaly. «Tsy vahaolana ny korontana tiana ha­petraka eto amin’ny firenena », hoy izy. Nam­pa­nan­tena ny tenany fa hanao ny ezaka sy ny fomba rehetra hampamiratra sy hampisongadina an’ity Madaga­sikara ity mandra-pahatapitry ny fe-po­toam-piasany. Rai­siko ho ira­ka manokana, fanamby goavana […]

Tsy maty manota

  Fomba fiteny iray nireharehan’izay mpitondra fanjakana nifanesisesy teto ny hoe “tsy maty manota”. Nizahozaho araka izay tratrany ny manampahefana. Nanao tsindrio fa lavo izay manana herijika afaka nanao izany. Tena nosemporina araka izay zakan’ny ain’ireo mpanao tsindrio fa lavo ny Malagasy tsivakivolo. Nanampatra ny mahabiby fanahy azy ny taranak’i […]

Mpitandro filaminana mihoa-pefy : « Handraisana fepetra », hoy ny Praiminisitra

Nidina teny Analakely ny lehiben’ny Governemanta Za­fisambo Ruphin, omaly. No­hamafisiny fa maika ny famerenana ny filaminam-bahoaka. Nasiany tsindrim-peo ihany koa ny mpitandro filaminana mihoa-pefy. “Governemanta fisokafana no hajoro. Mbola misy ny fifampidinihana miaraka amin’ny FFKM. Ny maika dia ny famerenana ny filaminam-bahoaka”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra, ny Jly Zafisam­bo Ruphin […]