Hikatona ny 15 oktobra hatramin’ny 15 novambra ho avy izao ny fotoam-panjonoana an-dranomamy, ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Antony, fotoana ahafahan’ny trondro manatody mba hitomboany isa io vanim-potoana io. Maro ny fitaovam-pifandraisana hampandrenesana ny mpanjono sy ny besinimaro, toy ny petadrindrina eny amin’ny biraom-panjakana, ny radio ary ny fanentanana eny […]
Taratra
Lalam-pirenena faha-9: Mandeha ny fanorenana ny tetezana Mangoky
Fotodrafitrasa anisan’ny goavana aorina ny tetezana Mangoky, any Bevoay, amin’ny RN9, eo amin’ny PK 199+700. Mandeha araka ny vina napetraka ny fanatanterahana ny asa, ankehitriny. Tetezana miampita ny reniranon’i Mangoky, mampifandray ny faritra Atsimo Andrefana sy ny faritra Menabe izy ity. Ankoatra ny fananganana ny tetezana, efa vita daholo ny […]
Tetikasa S2Nap : Fiarovana ny ala honko any Menabe
Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny tetikasa S2Nap sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Tanjona ny hiarovana sy hitantanana maharitra ny ala honko any amin’ny faritra Menabe. Anisan’ny fomba mahomby hampiharana izany ny fanentanana ny ankizy mpianatra. Nisy ny fanabeazana ara-tontolo iainana ho an’ny mponina any amin’ny […]
Hamahana ny delestazy: Vahaolana ny toby mandeha amin’ny herin’ny masoandro
Ezahina tsikelikely ny ialana amin’ny famokarana herinaratra mandeha amin’ny solika. Vahaolana ny angovo azo havaozina, toy ny avy amin’ny herin’ny masoandro sy ny rano. Anisan’ny hamahana ny fahatapahan’ny jiro lavareny ny famokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro. Ho an’Antananarivo, misy ny toby eny Ampangabe, mamokatra 11,5 MW, ka efa vita ny […]
INDRAY MIJERY
Tanterahina amin’ity herinandro ity, manerana ireo Dren 23, ny atrikasa fampahafantarana sy fifanakalozana momba ny tetikasa manohana ny fizakan-tenan’ny ankizivavy sy ny vehivavy “Eager”. Tanjona ny hanatsarana ny fari-pahaizana sy ny fidiram-bolan’izy ireo. Mbola hisy ny fitsirihana sy fisafidianana ireo zatovovavy hisitraka ny tohana fampianarana sy ireo vehivavy 18 hatramin’ny […]




