Lalao roa no natrehan’ny ekipa malagasy “Nosy Bé”, ny faran’ny herinandro teo, ao anatin’ny fifaninanana “World Tour Shenzhen Chine”, taranja basikety 3×3, natao tany Chine. Rakotonirina Fiary Jonhson 1m 98 (kapiteny), Rakotovao Marco 1m 86, Rasolonandrianina Hasina 1m96, Arimanana Kanto Damie 1m96, ireo no nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Raha ny […]
Taratra
DAKA AN-JORONY: Voatra ampangoro ny olombelona
Mangina tanteraka aloha izao ny fifaninanana eto an-toerana noho ny zava-misy eto amin’ny firenena. Fotoana afaka handinihin-tena ihany koa satria efa hifarana ny taona ka ao anatin’ny fanaovana tomban’ezaka sy fanavaozana ny mpitantana ny taranja sasany amin’izao. Ao anatin’izany, tsy misy afaka mirehareha ho nahavita na tsia satria voatra ampangoro […]
Tsipy kanetibe: Fantatra ireo tetiandrom- pifidianana
Hovitaina amin’ity taona 2025 ity avokoa ny fanavaozana ireo komity mpitantana eo anivon’ny taranja tsipy kanetibe, ho an’ny ligy sy ny federasionina. Araka izany, hitsahatra amin’ny asany ireo filohan’ny ligy sy ny an’ny Federasionina malagasy (FSBM) manomboka ny 15 oktobra ho an’ny ligy raha ny 13 novambra ny an’ny federasionina. […]
Taranja Échecs malagasy : Miakatra tsikelikely ireo taninketsa
Taranja iray anisan’ny mivoatra sy hain’ny Malagasy ny taranja Échecs. Efa mitombo be ihany koa ny misehatra amin’ity lalaon-tsaina ity ankehitriny ka vao maika mpampiakatra ny lentan’ny Échecs eto Madagasikara. Anisan’ny ahitana taratra ny fiakaran’ny lentan’ny taranja iray ny fisian’ireo taniketsa izay hoavin’ilay taranja. Manana izany ny taranja Échecs raha […]
Fitakiana andalam-be: Voafitaka ny depiote Rolland Ratsiraka
Tsy nampoizin’ny depiote voafidy teto Toamasina, Rolland Ratsiraka, ny fihetsiky ny mpianatra avy ao Barikadimy sy ny vondron’ny mpivarotra zava-pisotro mampiasa ny Miami ny sabotsy teo, tetsy anoloan’ny kianja manaram-penitra Barikadimy. Ho an’ny mpivarotra aloha, nihevitra ingahy solombavambahoaka fa hanindrahidra sy hiteny ny fitakiana tahaka ny iheverany azy ireo solontenan’ny […]




