Taratra

Tsy fanjarian-tsakafo : Manohana ny Unicef ny Fondation Axian

Natao omaly, teny Andraharo, ny fanaovan-tsonia ny fanohanan’ny fondation Axian ny asan’ny Unicef, handraisana an-tanana ireo zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo. Nanolotra vola mitentina 100 000 dolara ny fondation. Ahafahana mikarakara zaza 5 000 (enim-bolana hatramin’ny 59 volana) voan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika lalina izany. Tafiditra anatin’ny hetsika “Child Nutrition Fund […]

Fondation Viséo sy Fondation HV : Nifarimbona nanavao ny EPP Ankorondrano

Anjara biriky entin’ny fondation roa : Viséo sy HV ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny fanohanana ny fanabeazana fototra. Efitranon-tsekoly maherin’ny 100 no nohavaozina tanteraka. Mbola hitohy amin’ny EPP hafa ny fanatsarana miaraka amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Vita ny fanavaozana ny EPP Ankorondrano, izay nifarimbonan’ny Fondation Viséo, Fondation Hematlal Veljee (HV) sy […]

TARATRY ny KANTO

Hotokanana ny Lapan’Andrianampoinimerina, eny amin’ny Doany Ankazomalaza Ambohimanga. Ho­tontosaina mandritra ny Alahamadibe, amin’ity faran’ny heri­nandro ity, izany. Hanomboka rahampitso ny fidiovana sy fanasinana, arahin’ny arendrina sy ny afo tsy maty ary ny lamalama ny alina. Ny 30 marsa kosa ny safo-drano, tatao, tsitsika, tolotra hasina, joro alahamady, tentina, tsodrano, zara […]

Moozik sy Davalt Rwikordz: Miara-dalana hanandratra ny mozika malagasy

Miabo hatrany! Nanamafy ny fiaraha-miasa efa natomboka ka hifampitantana ho fanandratana ny mozika malagasy ny trano mpamokatra Davalt Rwikordz sy ny Moozik. Mitovy ny fijery, iray ny tanjona. Nampahafan­tarina omaly, tetsy amin’ny Kudeta Carlton, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny trano mpamokatra mozika Davalt Rwikordz, sy ny orinasa Ma­noova, amin’ny […]

Fanabeazana: Very « Reny » ny Malagasy

Manana hasina lehibe eo amin’ny Malagasy sy ny fiarahamonina misy azy ny reny. Loharanon’ny taranaka. Tandindon’ny hoavy manaraka. Fambara tsy miangatra ho an’ny vanim-potoana any aoriana ihany koa… Manomboka mitsingalamboangidina ny fiarahamonina malagasy, satria, very ilay reny. Diniho tsara! «Firenena mpanjanaka». «Tany voazanaka». «Mpanjana-tany»… Samy manambara fa lasa «zanaka» na […]