Fito volana taorian’ny nampidirana am-ponja vonjimaika ny Jly Ravalomanana Richard, teny amin’ny fonjan’ Imerintsiatosika, hiakatra fitsarana ao amin’ny ady heloka bevava Anosy, anio, ny tenany, raha tsy hisy ny fiovana. Maro ny vesatra hanenjehana azy, raha ny angom-baovao. Anisan’izany ny ny fanohintohinana ny fiandrianam-panjakana, firaisana tsikombakomba tamin’ny heloka bevava samihafa, […]
Taratra
LFI 2027: laharam-pahamehana ny fotodrafitrasa ara-toekarena
Natao omaly, teto Antananarivo, ny Fikaonandoham-paritra ho an’ny tetibola 2027, ho an’ny faritra Analamanga. Amin’ny ankapobeny, hatao laharam-pahamehana ny fanavaozana sy ny fananganana fotodrafitrasa ara-toekarena. Tanterahina manerana ny faritra 24 ny Fikaonandoham-paritra ho an’ny tetibola 2027 mba handraisana ny filàn’ny mponina eny ifotony amin’ny fampandrosoana. Ho an’ny faritra Analamanga, nojerena […]
Navadiky ny lakana: mpandeha miisa efatra niara-maty an-drano
Namoy ny ainy tamin’ny lozam-pitaterana an-dranomamy ny olona efatra, tamin’ny faran’ny herinandro, tany Alaotra. Zaza telo taona ny iray. Hita omaly ny vehivavy iray anisan’ireo olona efatra namoy ny ainy taorian’ny fivadihan’ny lakana iray tao amin’ny ranon’Alaotra, distrikan’Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro. Namoizaina ain’olona miisa efatra io loza niseho ny sabotsy […]
Feo Gasy: hitohy any Eoropa ny seho
Fiverenana an-doharano. Izay no azo hamehezana ny seho nataon’ny Feo Gasy ny sabotsy teo, tetsy amin’ny CCI Ivato. Manamarika ny fiverenan’ny tarika eo amin’ny fitetezam-pirenena iny, ka niniana natomboka taty an-tanindrazana. Hitohy amina daty maromaro any Eoropa izany, aorian’ izao, ka ao France ny ankamaroany. Seho nanjakan’ny tamberina sy tsiahy […]
Seho faran’ny herinandro: samy nahazo ny anjarany ny teto an-drehivohitra
Rap, vazon’ny tanàna, vazo miteny, rock, ba gasy… samy nanana ny mpankafy azy ireo fampisehoana teto Antananarivo, indrindra ny omaly. Hahafeno ny toerana daholo ve ireo? Fanontaniana napetraky ny maro mahakasika ireo fampisehoana marobe izay nitranga ny faran’ny herinandro teo izany, indrindra teto Antananarivo. Nivoaka ny valim-panadinana: samy afaka avokoa! […]




