Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana teny Ambodivona, lavon’ny bala, ny jiolahy iray, afakomaly alina. Malaza ratsy amin’ny fisiana mpanao sinto-mahery, mpanendaka sy asan-jiolahy eny amin’io faritra io ka nanao hetsika manokana ny ekipan’ny polisim-pirenena eo anivon’ny CUI sy ny UIR. Nahare antso vonjy tampoka tamin’ny olona nandalo izy ireo. Raikitra […]
Taratra
Nitazona basy tsy ara-dalàna : Lehilahy roa voasambotry ny polisy tetsy Anosizato
Notanana eny anivon’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna ireo roa lahy tratra nihazona basy tsy ara-dalàna tetsy Anosizato, omaly. Tsy nahitana taratasy manamarina ny fahafahana mihazona sy mampiasa izany teny amin’izy ireo. Anton’ny fisamborana. Nosamborin’ny polisim-pirenena avy ao amin’ ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) omaly, tamin’ny 11 ora atoandro, tetsy Anosizato, ny […]
FANTINA sy FINTINA
Tokony ho eo anivon’ny ankohonany, aorian’ ny fanadihadiana natao aminy ny depiote sady minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, i Sahondrarimalala Marie Michelle. Io ny nambaran’ny depiote voafidy tamin’ ny anaran’ny Irmar tany Vohibato, Faritra Matsiatra Ambony, Razafinjato Aurélie Marie Augustine, mangataka ny famoahana azy izay mbola voatana hatramin’ izao. Tsy […]
Governora Faritra Anamalanga teo aloha : Namoaka didy fampisamborana ny fitsarana
Namoaka didy fampisamborana iraisam-pirenena ho an’ny governoran’ny Faritra Analamanga teo aloha, Rasoamaromaka Hery, ny fitsarana. Antony ny fametrahan’ny tomponandraikitry ny orinasa misahana ny fanamboarana ny trano Lac Village Ivato fitoriana. Voalaza fa ny tomponandraikitry ny Faritra Analamanga no sakana amin’ny fandoavam-bola. Ny orinasa Building Mora Lac Village Ivato no nahazo […]
Mila miasa
Mahazo vahana ny fanakianana mialoha ny fotoana, ankehitriny. Zary lasa toetra raiki-tapisaka amin’ny Malagasy sasany ny fifanomezan-tsiny tsy amin’ny fotoany. Manavanana kokoa ny fisainana miiba noho ny fahavononana ny hanatsara. Mazana ny fanenjehana mamaivay no manjaka. Hadino ny mombamomba ny fifanohanana sy ny fifampitarihana mankany amin’ny tsara. Toe-tsaina miiba […]





