“Manambara izahay fa hiantso fivoriana tsy ara-potoana hahazoana mandinika sy mijery vahaolana haingana sy maharitra hamahana ny olan’ny firenena, na ara-tsosialy, na ara-politika, na ara-toekarena sy ny rehetra araka ny tandrifim-pahefana nomen’ny lalàmpanorenana anay.” Izay ny fanambaran’ireo depiote tsy anavahana firehana politika nentin’ny mpitondra teny, ny depiote Razafimanantsoa Hanitra, teny […]
Taratra
Ny isavorovoroan-kilantoana
Aorian’ny savorovoro, tsy tokony hisy filantoana na filaminana amin’izay? Tsy azo iainana fa famonoan-tena ny korontan-dava mandavantaona. Izay tsy miady olom-bodo, fa ny to fo mamosavy. Mila lantoina sy tony izao ny fihetseham-po tsy voafehy, na hatezerana, na lonilony… ? Eny hatramin’ny fanararaotana amin’ny fanaovana herisetra, fanimban-javatra, fandrobana, barofo… […]
Toe-draharaham-pirenena : Miantso fifampiresahana ny filohan’ny FJKM
Anisan’ny nanao fanambarana koa ny eo anivon’ny birao foibe FJKM, amin’ny alalan’ny filohany, Andriamampianina Zaka Harimasy. Niompana amin’ny toe-draharaham-pirenena izany hafatra izany. Niantso ny rehetra hampiato ny fifampihantsiana miseho amin’ny endrika maro samihafa ny tenany tamin’izany. « Mitaona antsika ho amin’ny fifampidinihana sy ny fifampiresahana mba hisian’ny filaminana sy ny fiainam-piarahamonina […]
TSELATRA
Mpamaky trano telo lahy voasambotry ny polisin’ny UIR tao Taolagnaro. Niditra an-keriny tao amin’ny tranombarotra iray tao Tanambao ireo mpandroba. Nidina ifotony ny polisy ka nifanenjehana ireo telo lahy nanao ny asa ratsy. Mivondrona avokoa ny ankamaroan’ireo vatan-dehilahy eny anivon’ny fokontany maro eto Antananarivo Renivohitra, taorian’ny fisian’ny fandrobana niseholany ny […]
Fanafihana : Dahalo telo maty voatifitra
Telo lahy anatin’ny fikamban-jiolahy nikasa hangalatra omby lavon’ny mpitandro filaminana tao Fanjakamandroso, kaominina Ankadinondry, ny 25 septambra lasa teo. Naharay antso tamin’ny olon-tsotra ny kaomandin’ny tobim-paritra Mahasolo, tamin’ny 2 ora tolakandro, fa misy andian-jiolahy mitady hangalatr’omby. Nidina ifotony hijery ireo andian’olona nikomy haka ny fananan’ny hafa ireo ny zandary. Nihazo […]




