Nidiran-doza tampoka ny raim-pianakaviana iray 35 taona, zandary iray tao Tsarafara, kaominina Sabotsy Namehana, distrikan’Avaradrano, ny alarobia 26 marsa teo. Nanadiodio ny tranon’ny biby fiompiny io lehilahy io. Tsy nanampo na inona na inona izy. “Nikirakira jiro izy kinanjo tariby tsy nifono ka nandoro azy, tamin’ny 9 ora sy sasany […]
Taratra
Nisandoka ho mpanao moto : Roa lahy voasambotry ny zandary
Voasambotry ny mpitandro filaminana teny Mahazoarivo ny iray tamin’ireo roa lahy mpisoloky sady mpangalatra moto, ny 26 marsa teo. Mody manamboatra moto satria mitonon-tena ho matihanina amin’izany izy ireo. Ataony andrana izay vitany ka tsy mipoitra intsony izy ireo aorian’izay. Entiny mandositra ny fananan’olona. Tompona moto iray lasibatra teny Soamanandrariny […]
Voapoizina tamin’ny sakafo : telo mianaka namoy ny ainy
Samia mitandrina! Mahazo vahana ny fanapoizinana ara-tsakafo. Telo mianaka indray no niara-namoy ny ainy, omaly. Voalaza fa nihinana ”mortadelle” izy ireo. Misokatra ny fanadihadiana. Olona telo mianaka niara-namoy ny ainy tao amin’ny hopitaliben’i Toamasina, afakomaly. Maty vokatry ny fihinanana sy tsy fahazakana mortadelle izy ireo, raha ny angom-baovao voaray. Namoy […]
« N4G Paris 2025 »: Nohamafisina ny tanjona fahavitantena ara-tsakafo
Atao any Paris ny fivoriambe iraisam-pirenena mahakasika ny fahavitantena ara-tsakafo. Lohahevitra noraisina ny hoe « Trandrahina ny paikady mahomby hanatsarana ny sakafo: mandray anjara daholo ny mpisehatra voakasika rehetra, amin’ ny alalan’ny traikefa samihafa ananan’ny firenena tsirairay ». Nohazavain’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahavintantena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’ny Avo, fa laharam-pahamehan’i Madagasikara ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanatanteraka fitsidihana sekoly teto an-drenivohitra ny Team Heros sy ny All Stars Madagascar, omaly. Anisany nanaovan’izy ireo izany ny EPP Ambohipo. Tanjona amin’izany ny hiombonana sy ny hanatsarana ny fanavaozana ny sekolim-panabeazana eto Madagasikara. Nomontsanin’i Argentine tamin’ny isa 4 no ho 1, ny Seleçao Bresil, afakomaly, tao amin’ny Kianja Estadio […]