Nanao fitsidihana pastoraly voalohany tao Ambatosoa ny eveka vaovao, Mgr Marek Ochlak. Nambarany tamin’ny hafatra ho an’ny kristianina sy ny vahoaka malagasy fa zava-dehibe ny fananana fianakaviana masina. « Ahafahana mamoaka olomasina sy olom-banona ho an’ny fiarahamonina izany », hoy izy. Nohamafisin’ny pretra tompom-paritany ao amin’ny Ekar St Joseph Maroantsetra kosa fa […]
Taratra
Filankevi-pirenen’ny Seces : Mitaky ainga vao ny tontolon’ny fampianarana ambony
Nilaza mahitsy ny amin’ireo fanarenana sy soso-kevitra hitondra ainga vao ho an’ny fampianarana ambony ny Seces. Hipaka amin’ny mpianatra sy ny mampianatra ny fanatanterahana izany. Nanatanteraka ny filankevi-pirenena ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (Seces) tamin’ ity herinandro ity. Nifantoka tamin’ny tokony hitondrana ainga vao ho an’ny fampianarana ambony […]
Hetsika « Leo delestazy »: Manameloka ny fikasihan-tanana mpanao gazety ny OJM
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) manoloana ny tranga niseho tamin’ny hetsika « Leo delestazy sy rano », omaly. «Manameloka ny fikasihan-tanana nataon’ny mpitandro filaminana ny mpanao gazety raha nanao ny asany nanamarika ny zava-nitranga iny izahay », hoy izy ireo. Nanterin’ny OJM fa nanatanteraka ny adidiny amin’ny fanomezana […]
TARATRY ny KANTO
Nanambara ihany koa i Nate Tex, omaly, fa hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny seho tokony hataony anio, ao Antsirabe. Nafanafana ihany koa mantsy ny tany an-toerana, izay ahina hisy fiantraikany anio. Na izany aza, nampanantena ity mpanakanto ity fa tsy maintsy hisy ny fihaoanany amin’ireo mpankafy any Vakinankaratra. Na izany […]
Noho ny toe-draharaha: Hetsika ara-kolontsaina maro no foana
Eo no ho eo ny fiantraikany! Ny hetsika ara-javakanto sy kolontsaina sy ny fizahantany no lasibatra voalohany vao misy savorovoro eto amin’ ny firenena. Vao nitranga ny savorovoro, omaly, dia maro ireo mpikarakara nanao fanambarana avy hatrany fa foana na hahemotra amin’ny fotoana mahamety azy ny hetsika. Anisan’izany ny antsan-tononkalo […]




