Nirehitra indray ny tanàna omaly. Mitomany sy mitanondrika indray i Madagasikara. Fitakiana amim-pilaminana, noheverina fa handamina no nivadika. Fifamonoana sy fandrobana no niafarany, halina. Nanao izay danin’ny kibony indray ny olona marobe. Nanararaotra ny andro alina sy ny fialan’ny mpitandro filaminana. Asa fa dia nampiseho fa tena noana sy […]
Taratra
TSELATRA
Mpanao gazety iray nanatontosa ny asany no nofelahin’ny zandary nandritra ny hetsika nataon’ireo mpitolona teny Ambohijatovo, omaly tolakandro. Raikitra fifamaliana ny asa teny an-kianja izay samy sahanin’ny roa tonta. Melohina ny fikasihan-tanana atao amin’ny mpanao gazety. Jiolahy mpamaky trano sady mpamerin-keloka nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Ampaisokely, Miarinarivo, afakomaly vao mangiran-dratsy. […]
Fidinana an-dalambe : Niafara tamin’ny fisamborana, fandrobana sy fandorana
Maro ny mpanao fihetsiketsehana “Leo delestazy”, omaly. Nirefodrefotra ny grenady mandatsa-dranomaso sy ny tifitra. Nifarana tamin’ny fandrobana sy fandorana tanàna ny hetsika. Mihatra ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina. Nahitana fidinana andalam-be avokoa ny toerana rehetra manerana an’Antananarivo, omaly maraina hatramin’ny hariva. Nikasa hiditra an’Ambohijatovo ireo mpitolona fa nosakanan’ny mpitandro […]
Tsipy kanetibe : Tafaverina omaly ny ekipam-pirenena malagasy
Omaly no nigadona an-tanindrazana ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy lehilahy, taranja tsipy kanetibe. Raha tsiahivina, niatrika fifaninanana maro tany Eoropa izy ireo, nandritra ny telo volana ka anisan’izany ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, notontosaina tany Italie, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nitsanga-menatra ny firenena tamin’izany satria nitondra vokatra maro ka […]
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny fikarohana natao, omaly, efa niditra sahady amin’ny fampivondronana voalohany ny ekipam-pirenena Makis de Madagascar, izay hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny lalao Rugby, lalaovin’olona fito. Tsiahivina fa efa manana ny lazany anatin’ity sehatra ity ny ekipa nasionaly malagasy, ka izay no hanamafisana sahady ny fampivondronana amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana iraisam-pirenena […]




