Mbola nanamafy ny kandidà sy ny delege miara-dia amin’ny Avi, avy any Andriamena Tsaratanàna, fa mitsipaka marindrano ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna tany an-toerana. Naneho ny alahelony izy ireo tamin’ny fanafoanana ny voka-pifidianana tamin’ny biraom-pifidianana miisa 4 sy ny fahatratrarana hosoka. Efa lany tamin’ny voka-pifidianana navoakan’ny Ceni ny kandidàn’ny Avi, Rakotoarivony […]
Politika
Andrianainarivelo Hajo: “Tokony harovana ny sosialim-bahoaka…”
Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, omaly, fa nahitana fihenana lehibe tato ho ato ny fanampiana ara-bola avy any ivelany “Aide publique au développement”. Anisan’izany ny fanampiana avy amin’ny vahoaka amerikanina (USAID). Miakatra hatrany ny vidim-piainana, ary vao mainka niharatsy ny toe-draharaha ara-toekarena taorian’ny fanapahan-kevitry ny Banky foibe […]
Ho ferana 44°C ny tahan’ny alikaola: havela malalaka ny toaka gasy
Nolanian’ny solombavambahoaka nandritra ny fivoriambe azon’ny rehetra atrehina, omaly, ny fanalalahana ny toaka gasy. Anisan’izany ny fahazoana mamokatra sy ny fivarotana azy. Misy fepetra arahina anefa izany. Tsy maintsy ampanarahana fenitra. Nolaniana izany tolo-dalàna momba ny famokarana sy ny famarotana toaka gasy izany rehefa nasiam-panitsiana sy novaina. Lalàna natolotry ny […]
Fitsidihana ny any Nosy Be: Hitokana fotodrafitrasa maromaro ny filoha Rajoelina Andry
Anjaran’ny any avaratra indray. Any Nosy Be ny filoha Rajoelina Andry sy ireo delegasionina tarihiny, nanomboka omaly. Ankoatra ny filankevitry ny minisitra, maromaro ireo fotodrafitrasa hotokanana amin’izany. Manatanteraka fitsidihana any Nosy Be, ao anatin’ny faritra Diana, ny filoha Rajoelina Andry sy ireo delegasionina tarihiny hatramin’ny asabotsy 24 mey izao. Hotanterahina […]
FANTINA sy FINTINA
Notebahin’i Rinah Rakotomanga ny avy amin’ny mpanohitra, araka ny fanehoan-keviny, omaly. Nambarany fa tsy misy miabo na iray aza ny fanoherana eto. Nohitsiny fa mibahana ny fanompana sy firesaka tsy mitondra mankaiza tsy mampandroso. “Tsy misy mpanohitra mahazo sitraka eo amin’ny vahoaka… Mila mianatra manohitra izy ireo”, hoy izy. Nahazo […]