Politika

IFR : Tokony harovana ny fandresen’ny tolona

Notokanana teny Ambohi­dahy, ny faran’ny herinandro teo, ny tsangambato fanamarihana ny Tsiahy ny tolona ka nitondra ho amin’ny fiovam-pitondrana ho amin’ny fanavaozana. Nandray anjara ma­vitrika tamin’izany ny IFR tarihin-dRabetsitonta Tovona­nahary, ny zoma lasa teo. Ny 25 septambra fanohizana ny tolona efa nisy tamin’ny 29 marsa 1947 sy ny 13 mey […]

Fanomezana sehatra ny tanora : Nanangana ny Akademia hiofanana politika ny MMM

Najoro ho famolavolana ny tanora handray andraikitra ny Akademia an’ny antoko Malagasy miara-mianga. Nampahafantarina ny herinandro teo tamin’ny fomba ofisialy izany tetikasan’ny antoko izany ho fanomanana taninketsa. «Adidinay ny fampianarana ny sehatry ny politika sy ny raharaham-pirenena ny tanora. Porofo koa izao fa manome sehatra ho an’ny tanora ny MMM. […]

FANTINA sy FINTINA

Nolanian’ny Antenimierampirenena, eny Tsimbazaza, afakomaly, ny volavolan-dalàna lah. 039/2026 momba ny fampiasana azo antoka sy am-pilaminana ny teknolojia nokleary eto Madagasikara. Nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana izany nandritra ny fandinihana nataon’ny Antenimiera. Mifototra amin’ny fitsaboana, ny fambolena, ny fikarohana ary ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany izany. Nambaran’ny depiote tsy miankina voafidy tany […]

Tsiahy ny tolona 2025 : “Aoka izay ny fifanenjehan’ny samy Malagasy”

25 septambra 2025. He­rintaona omaly ny hetsiky ny tanora Gen Z nisian’ny fiovam-pitondrana ho amin’ny fanavaozana. Ho tsiahy izany, nisy ny hetsika fitokanana tsangambato teny Ambo­hidahy, anisan’ny toerana mafy tamin’ny mpanao hetsika ny namaky azy, hidirana teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, Analakely. Famerenana ao an’eritreritra sy ao am-po ny ady […]

New York : Manohana an’i Madagasikara amin’ny lalan’ny Fanavaozana ny ONU

Taorian’ny lahatenin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny polipitran’ny Firenena mikambana (ONU) tao anatin’ny fivoriambe faha-81, tany New York, Etazonia, afakomaly, nihaona tamin’ny Sekretera jeneralin’ny ONU, i Antonio Guterres, izy. Naneho ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ny lalan’ny Fanavaozana ity farany. Nambarany tao amin’ny Radio des Nations Unies […]