Politika

Kly Randrianirina Michaël : « Omena fankasitrahana ny mpiasa nahavita be »

Mahazo fankasitrahana izay mendrika sy miasa tsara, hoy ny Filohan’ny fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly. Nandritra ny fandraisana ilay zaza varira avy any Vaingandrano no nanambarany izany. Nigadona teto Antana­narivo, omaly, ilay zaza varira nisy saika hivarotra tany Vaingandrano ary noraisin’ny filohan’ny Fana­vaozana, ny kly Randrianirina Michaël, teny amin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Noraisin’ny filohan’i Tchad, ny Maréchal Mahamat Idriss Déby ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly, tao amin’ny lapam-panjakana Toumaï, N’Djamena. Nitohy tamin’ny fihaonan’izy mirahalahy tamin’ny filoham-panjakan’i Guinée-Bissau, ny Jly Horta N’Tam izany. Nifampizara hevitra ny telo tonta tamin’izao fihaonana izao. Tsy misy hery na fahefana afaka mitsabaka amin’ny raharaham-pifidianana karakarain’ny […]

Fihaonana tamin’ny filoha Tao Tchad: Mangataka mba ho afa-mifidy ireo “Diaspora”

Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, any Tchad, ny fihaonana tamin’­ ireo Malagasy milaravinahitra any an-toerana. Nisy ny tafa sy fihainoana azy ireo, omaly, na dia vitsy aza ireo Malagasy monina any Tchad, izay miisa 20 mahery eo. Efa fanaon’ny filohan’ny Fanavaozana rahateo ny mamaly ny […]

Fivoriana mikaton-trano : Tsy mitombina ny handravana ny Antenimierampirenena

Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, taorian’ny fivoriana mikaton-trano nataon’ireo depiote teny Tsimbazaza. Nandiso ireo vaovao niely ny tenany tamin’izany.  «Tsy marina ny tsaho miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera ny amin’ny filazana fa horavana ny Antenimieram­pirenena sy ny birao maharitra eto amin’ity Andrimpanjakana ity », hoy izy. Nohamafisiny ny […]

Fanohanana ny mpitondra : Mijoro ny Vovonana ho an’ny fanavaozana

Nampahafantarina omaly ny fijoroan’ny Vovonana ho an’ny fanavaozana an’i Mada­gasikara (VFM). Natao hanamafy ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana ny ezaka fanavaozana tarihin’ny filohan’ny Fanavaozana, Kly Randria­nirina Michaël, araka ny fanazavan’izy ireo. Mikendry ny hampivondrona ireo hery velona samihafa ny vovonana, ahitana ireo olom-boafidy am-perinasa sy teo aloha, ireo olobe, tangalamena, […]