Nitondra ny fahitany ny raharaham-pirenena ny antoko RPSD, ankehitriny. Tsy mahamaika ny fanaovana fifidianana fa ny fanadiovana ny kianja hilalaovana politika no maika, araka ny nambaran’izy ireo. “Ny fomba fanaovana politika nataon’ny mpanao politika no tena manapotika ny firenena. Tsy tokony hahamaika ny fifidianana, fa diovina aloha ny kianja anaovana […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Tsy nanome fahazoan-dalana na iza na iza ny hanoratra boky mirakitra ny tantarany ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, araka ny fampitam-baovaon’ny talen’ny seraseran’ny fiadidiana ny Fanavaozana, Iavoloha, omaly. Tokony hitandrina ireo olona mety hahita na hividy boky lazaina fa mirakitra ny tantaran’ny filohan’ny Fanavaozana. Ny demokrasia, tokony hihaino […]
VMFR: Vita sonia ny sata ho an’ny dinika politika
“Handry anjara amim-pahatsoram-po amin’ny dinika politika, hanome lanja ny tombontsoa ambonin’ny firenena manoloana ny tombontsoa manokana, hiaro toy ny anakandriamaso ny firaisam-pirenena”. Ireo ny faneken’ireo nanao sonia ny “Sata ho fanoloran-tena ho an’ny dinika politika”, araka ny nambaran’ ny filohan’ny Vovonana miaro ny fanovana miatrika ny Repoblika vaovao (VMFR), Rakotomavo […]
Filohan’ny Fanavaozana : “Tsy mpanongam-panjakana ny miaramila”
“Tsy mpanongam-panjakana no avoakanay ao amin’ny Akademia Miaramila fa olona nokolokoloina ho tia tanindrazana sy ho tia vahoaka izay misy azy ao, ka hanaiky ny vahoaka”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fanolorana azy ny fehinkevitry ny fikaonandohan’ny Tafika malagsy teny amin’ny Mining Business Center (MBC), […]
FANTINA sy FINTINA
Nambaran’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, momba ny tsiahy ny tolona ny zoma teo, fa isaorana ny filohan’ny Fanavaozana nanome lanja izany. Nankahery ireo fianakaviana nanana ny niharam-boina ny tenany. Niaiky kosa anefa izy fa tsy ho vita vetivety ny famaliana ny fitakiana. « Maika aloha izao ny jro sy rano […]





