Politika

FBF: hifantoka amin’ny tena fanavaozana eny ifotony

« Sahia manova”! “Na dia efa hita taratra aza ny ezaka ataon’ny fitondrana Fana­vao­zana eo amin’ny fotodrafitrasam-pampandrosoana, toy ny lalana, ny jiro, ny rano sns, dia mbola tsy vita ny tolona, indrindra ny toe-tsaina. Amin’ny maha tomponandraikitra voafidim-bahoaka anay dia hivondrona ho vato izahay, hiray hina, hanatanterahana ny fanovana eny ifotony […]

Fikaonandoham-pirenena: miroso amin’ny fanofanana santatra eny amin’ny distrika ny FFKM

Anatin’ny fanatanterahana tanteraka ny dingana ho an’ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM. Misantatra izany ny fampiofanana eny amin’ny distrika. Nanomboka omaly hatramin’ny 30 oktobra ny fampiofanana santatra amin’ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena, araka ny fanambarana nampitain’ny mpandrindra nasionaly tarihin’i Amade Joseph, ny faran’ny herinandro teo. Distrika 6 nofidina iray isam-paritany no ha­naovana an’izay. […]

FANTINA sy FINTINA

Hatao amin’ireo fokontany miisa 19 400 ny fakan-kevitra iarahana amin’ny FFKM. Hiroso amin’ny fampiofanana santatra eny ifotony ny fiangonana sy ny komity teknika mikarakara ny fikaonandoham-pirenena manomboka anio. « Sehatry ny fitadiavana vahaolana ny fikaonandoha fa tsy natao hifandonana », hoy ny filohan’ny FFKM. Tena nisy ny fizarana vola nanentanana olona nanao […]

Filohan’ny Fanavaozana : “Manohana antsika ny filohan’i Botswana”

“Anisan’ny filoha mpikamban’ny SADC nanohana ny dingana fanavaozana an’i Madagasikara hatrany am-boalohany ny filoha botswanais.” Io ny namintinan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny fihaonany tamin’ny filohan’i Botsawana, i Duma Gideon Boko, tany Gaborone, ny faran’ny herinandro teo. Misy fifanekem-piaraha-miasa havoaka ao anatin’ny 30 andro, satria te hanampy an’i […]

Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana: « Tsy mbola voavaha tanteraka ny olana »

Nanao tatitra ny asa vitan’ny governemanta ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, omaly. Niaiky ny tenany fa betsaka ny ezaka sy ny dingana mbola hatao. «Tsy mbola voavaha tanteraka ny olana », hoy izy. Notsiahiviny fa anisan’ny iraka nampanaovina azy ireo ny hamahana ny filana maika, ny fiatrehana ny loza voajanahary ary ny […]