Politika

Nosy malagasy, tetibola, Base Toliara: nampanantsoin’ny depiote mpanohitra ireo minisitra telo

Nandefa taratasy eo anivon’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, ny herinandro teo, ny depiote avy amin’ny fanoherana. Miompana amin’ny fampiantsoana ireo minisitra miisa telo izany. Anisany nampanantsoin’ny depiote Firai­sankina ny minisitry ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola hanontaniana ny momba ny olana ara-bola sy ny tsy fisian’ny fanitsiana ny tetibola amin’izao fivorian’ny […]

Antenimierampirenena: ifandroritana ny fikononkononana fitsipaham-pitokisana

Inona ny marina? Ny amin’ny fikononkononana eny anivon’ny Antenimierampirenena ny hanaovana fitsipaham-pitokisana ny governemanta. “Manamafy aho fa misy izy io”, hoy ny depiote tsy miankina voafidy tao Antananarivo III, Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo. Depiote no nanatona azy, mandresy lahatra amin’izany. Mbola vitsy… Tsy mbola misy […]

Antenimierampirenena ; Tsy mbola nandray karama ireo Assistant parlementaire

Nahitsy ny sasany amin’ireo solombavambahoaka fa tena very ny hasin’ny Antenimierampirenena manoloana ny anaovan’ny fahefana mpanatanteraka azy ireo. Tsy misy firaharahana ireo fanapahan-kevitra lehibe eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny tsy fanitsiana ny tetibolam-panjakana amin’ity taona ity. Tahaka izany koa ny tsy nanaovana ny fifanatrehana eo amin’ny governemanta sy ireo solombavambahoaka […]

Fisolokiana amin’ny “Augure” : Niantso ny mpiasam-panjakana ho mailo

Namoaka fanambarana ireo minisitera roa, ny avy amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa sy ny avy ao amin’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Niantso fahamailoana sy nampitandrina ny mpiasam-panjakana izy ireo. Nambaran’ireto minisitera roa ireto fa misy tranga fisolokiana manodidina ny fitantanana ny mpiasam-panjakana “Augure”. Hentitra ny eo anivon’ny fitondram-panjakana […]