Anisan’ireo voarohirohy amin’ny « Raharaha Boeing 777 » ny mpandraharaha, Ravatomanga Mamy sy ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard ary koa ny minisitry ny Fitaterana teo aloha, Ramonjavelo Valery. Miisa 33 izy ireo, miampy orinasa dimy. Samy voasaringotra amin’izany avokoa. Efa tamin’ny Repoblika I ny tolona fa mafy kokoa […]
Politika
Mpandrindra ny FFM Androy : « Ho arofanin’ny fanavaozana izahay »
Nitondra fanazavana momba ny Fanilon’ny Fanavaozana (FFM) ny mpandrindram-paritra, Managneto Oliver, avy any Androy. Nambarany fa tsy manavaka izy ireo, tahaka ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ihany. « Noraisiny sy nohenoiny na ny mpanohitra aza. Tsy mivaona amin’izany izahay. Ho arofanina kosa anefa », hoy izy, tetsy Anosy, omaly. Notsiahiviny fa nijoro taorian’ny […]
Fivoriamben’ny ONU : Fanamafisana fiaraha-miasa ny fandraisana anjara
Hitondra anjara biriky amin’ny fisarihana fiaraha-miasa sy fampiasam-bola bebe kokoa amin’ireo sehatra laharam-pahamehana eto Madagasikara ireo fifanakalozan-kevitra sy fiaraha-miombon’antoka hotanterahina. Antenaina hitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka izany. Hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena mpikambana ny fandraisana anjaran’i Madagasikara. Tarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny delegasiona amin’ny Fihaonambe […]
FANTINA sy FINTINA
Hotanterahina anio ny fitsarana ny ”Raharaha Boeing 777”, nalefa any Iran. Hatao etsy amin’ny Pac 67Ha izany. Miisa 33 ireo voasaringotra amin’io. Anisan’ny vesatra hiampangana azy ireo ny fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena, ny kolikoly. Eo koa ny famotsiam-bola sy ny fanararaotana andraikitra ary famotsiam-bola sy fikambanan-jiolahy. Tena henatra tanteraka ho an’ny […]
Fikaonandoham-pirenena : Miantso ny fiangonana ao aminy ny FFKM
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fandrindrana nasionaly ho an’ny fikaonandoham-pirenena, ka voarakitra ao anatin’izany ny fiantsoana ireo fiangonana miombona eo anivon’ny FFKM (Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara) mba handray anjara amin’ity fikaonandoham-pirenena ity. Maro ireo andraikitra ilàna olona ao anatin’ny fiomanana ho firosoana amin’ny dinika ho fanavaozana an’i Madagasikara, toy […]





