Politika

Fivorian’ny SADC any Durban : Handinika ny momba an’i Madagasikara indray

Hotanterahina ao amin’ny Centre International des Con­férences any Durban, Afrika Atsimo, ny 17 aogositra izao, ny fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Sadc, andiany faha-46. Tafiditra ao anatin’ny lahadinika ny toe-draharaha poli­tika eto Madagasikara izay handray anjara rahateo. Ankoatra izany, anisan’ny lohahevitra iaraha-midinika amin’ny fihaonana ny fananganana orinasa afaka miatrika sedra maharitra, […]

Fandraisana antoko eny Iavoloha: mitondra vahaolana, mizara vina mazava

Nandray ny antoko politika teny Iavoloha, ny Kly Randrianirina Michaël, hatramin’ny omaly. Samy mitondra vahaolana sy mizara vina mazava izy ireo. Anisan’ny nipoitra Ratsirahonana Norbert sy ny antoko Avi, tarihin’ny Dr Andriamiharivolamena Zavamanitra. Manao ranolava ny fandraisan’ny filohan’ny fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny an­toko sy ny hery politika lehibe […]

FANTINA sy FINTINA

Ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, ny solontenan’ny Avi, Ratsirahonana Norbert Lala sy ny depiote, R. Zavamanitra. Samy noraisin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël teny Ambohitso­rohitra, omaly sy afakomaly. Tafiditra amin’ilay dinika politika, efa nambaran’ny filoham-panjakana izany. Anisan’ny efa nihaona tamin’ny FFKM ny avy amin’ny Fikambanan’ireo firenena aty Afrika sy Karaiba […]

PDS vaovao an’Antsirabe : Laharam-pahamehana ny fandoavana ny karama

Taorian’ny nanendrena an’ Andriatomponera Fidy ho PDS ny fiadidina ny tanàn’ Antsi­rabe, vita omaly, ny fifamindram-pitantanana teo ami­ny sy ny ben’ny Tanàna mpisolo toerana, Rakotondrabe Andrianomanana. Nanatrika izany ny Prefen’Antsirabe mi­adidy ny Faritra Vakinanka­ratra. Teo koa ireo manam-pahefana sivily sy miaramila isan-tsokanjiny ao amin’ny tanànan’Antsirabe ary ireo mpiara-miasa eo anivon’ny […]

Tetikasa GPS, ranomasimbe Indianina : Hosorohina ny korontana amin’ny fifidianana

Notanterahina tany Moroni, Kaomoro tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra, hatramin’ny omaly ny atrikasa momba fifidianana aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Mametraka ho ambony ny fitantanana sy ny filaminana ary fitoniana ny fifampizarana tamin’izao fihaonana izao. Natao koa ialana amin’ny disadisam-pifidianana matetika miseho. Anisan’ny nisolo […]