Politika

FANTINA sy FINTINA

Nahitsy ireo fiarahamonim-pirenena ary nitaky ny tetibola ho an’ny fifidianana. Nambaran’izy ireo, omaly, fa hiatrika fivoriana ara-potoana faharoa ny solombavambahoaka amin’ny herinandro fahatelo amin’ ny volana oktobra. « Hodinihina amin’izany ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ka tokony hazava ny vola ho an’ny fifidianana », hoy izy ireo. Mila mailo ny […]

Ben’ny tanànan’ny fanavaozana-FBF : Miray hina hiatrehana ny olana eny ifotony:

« Tsy hifaninana amin’ireo vondrona hafa na hanilika fa haneho firaisankina hikaroka ny fomba maharitra hama­hana ny olana rehetra mian­jady amin’ny kaominina sy ny va­hoaka eny ifotony, toy ny ara-tsosialy, ny tsy fandriampahalemana ary ny fotodrafitrasam-pampandrosoana ny FBF. Amin’ny maha olom-pirenena sy tomponandraikitra voafidim-bahoaka anay ny antony nananganana izany”, hoy […]

Atrikasan’ny AP-COI : Mandray anjara mavitrika ny parlemanta malagasy

Manatrika ny atrikasa itambaran’ny fikambanan’ny Antenimierampierenena ato amin’ny Vaomieran’ny ranoma­simbe Indianina i Madagasikara. Fivoriana natomboka omaly, ao Port Louis, Maorisy. Ny fiarovana an-dranomasina sy ny toekarena manga, ny momba ny fiandrianam-pirenena sy ny fiarovana ireo fari-dranoma­sina ary ny fampandrosoana maharitra ireo harena an-dranomasina. Ireo no ifantohan’ ny fivoriana atrikasa itamba­ran’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nanao fitsidihana fanaovam-beloma ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randriasoloniaiko Siteny, teny Tsimbazaza, omaly, ny ambasadaoron’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, i Ji Ping. Noha­mafisina ny fiaraha-miasa stratejika Malagasy–Sinoa, indrindra eo amin’ny fambolena, ny fotodrafitrasa, ny angovo, ny fahasalamana sy ny fanabeazana ary ny varotra. Nanatanteraka fivoriana faharoa ifampiza­ran’ireo manampahaizana ny minisiteran’ny Raha­raham-bahiny, Anosy, ny […]

Antenimierampirenena : Volavolan-dalàna enina mahakasika fiainam-bahoaka no nolaniana

Nolanian’ny Antenimie­ram­pirenena, Tsimbazaza, omaly, ireo volavalon-dalàna enina mahakasika ny fiainam-bahoaka. Anisan’izany, ohatra, ny lah. 018/2026 ny 2 jona 2026 fankatoavana ny Fifa­narahana fampisamboram-bola momba ny famatsiam-bola ny Tetikasa fanitarana ny lemak’i Mangoky Ambany dingana faharoa (PEPBM II) ary ny Fanamorana ny fanohanana ny Tetezamita (FAT) ny 6 mey 2026. Hanatsarana […]