Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Otrikafo. Anisan’ny nambaran’izy ireo ny fomba fijeriny ny rafitra itantanana ny firenena. «Iza no afaka manome antoka fa ho tafavoaka isika raha hiditra amin’ ny fanjakana federaly ka hiala amin’ny rafitra fanjakana tokana ? », hoy ny fanontanian’ ny filoha mpanorina […]
Politika
Fiaraha-miasa: Liana amin’ny fizahantany i Arabia Saodita
Nanolotra ny dika mitovy amin’ny fanendrena azy ho masoivohon’ny fanjakan’i Arabie Saoudite, na tsy monina eto Madagasikara azy, i Ahmad Mohamad Alwohaib. Nandray izany tetsy amin’ny minisiteran’ ny Raharaham-bahiny, Anosy, ny minisitra mpisolo toerana, Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray. Fihaonana nahafahan’i Madagasikara nanamafy indray ny fifandraisan’ny firenena roa tonta. Mifototra amin’ny […]
Raharaham-pifidianana : Niaiky ny lesoka sy tsy fanarahan-dalàna ny Ceni
Nitondra fanazavana ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, momba ireo fifidianana nifanesy teto amintsika. Nambarany tamin’izany ireo olana sy ny lesona horaisina. Nambarany fa maneho ny lesoka sy ny lesona azo raisina tamin’ny fikarakarana fifidianana nisy teto amin’ny firenena ny fanazavany. Nolazainy koa fa niteraka korontana hatrany ny fifidianana notontosaina teto […]
FANTINA sy FINTINA
Tokony hokatsahana aloha ny fahaleovantenan’ireo faritra tsirairay. Miroso mankany amin’ny fanjakana federaly avy eo, raha ny hevitry ny mpahay toekarena, Imbe Serge Jovial. «Mametraka fanjakana federaly i Etazonia, Allemagne, Suise noho izy ireo efa manana ny tanjany amin’ny lafiny ekonomia. Isika tsy mbola tonga amin’izany», hoy izy. Tsy mbola misy […]
Dr Andriamiharivolamena Zavamanitra : « Misy mpanao politika matahotra ny antoko Avi »
Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Asa vita no ifampitsarana (Avi), ny Dr Andriamiharivolamena Zavamanitra fa tafahoatra ny fanenjehana azy ireo tato ho ato. Nitondra valin-kafatra manoloana izany ny tenany, omaly. Nohitsiny fa efa fantatra ireo mpanao politika ao ambadika, manaratsy ny filoham-boninahitry ny antoko Avi. Mpanao politika sy antoko efa nampianay […]




