Politika

Fikaonandoham-pirenena: Hiofana ireo « Trio » ho eny ifotony

Miroso tsikelikely ny fiatrehana ny fikaonandoham-pirenena. Anisan’ny efa handeha ny eny anivon’ny fokontany. Nambaran’ny loharanom-baovao eo ani­von’ny FFKM fa efa hanomboka tsy ho ela ny fanofanana ireo mpanamora sy mpitantsoratra ary koa ny mpiandraikitra hisahana ny fitaovana «Trio». Efa maro ireo zanaky ny fiangonana eo anivon’ny FFKM namaly ny antso […]

FANTINA sy FINTINA

Manana ny tetikasany i Madagasikara fa anjaran’ny mpamatsy vola ny manampy ny fanatanterahana azy, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, omaly, teny Ivandry. «Kely ny fampiasantsika ny vola azo hatramin’izay. Lasa lavabe ny fotoana hamoahana ny vola ka efa nasiantsika fanovana izany», hoy izy. Nivoaka tamin’ny fahanginany ary naneho ny […]

Fihaonana tamin’ny Praiminisitra : Nangata-panazavana momba ny fanavaozana ny PTF

Notanterahina teny Ivan­dry, omaly, ny fihaonan’ny governemanta sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF). Maromaro ireo fangataham-panazavana nataon’ireo mpamatsy vola momba ny raharaham-pirenena. Novalian’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana sy nohazavainy tamin’izany ny laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana. Anisan’ny maika, araka ny nambarany, ny fanatanterahana ireo fanavaozana ara-drafitra ho amin’ny fanavaozana maharitra, ny fikarakarana fifidianana […]

New York, Etazonia : Maro sosona ny fihaonana nataon’ ny filohan’ny Fanavaozana

Maromaro ireo tomponandraikitra ambony sy mpiara-miombon’antoka nihaona tamin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, amin’izao diany any New York izao. Eo koa ny fanatrehany ny fivorian’ny Firenena mikambana (ONU). Nafana ny fandraisan’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana (ONU), i António Guterres, ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, talohan’ny nanombohan’ny fivoriambe faha-81 […]

Vovonana Tantana : Tafajoro ny rafitra eto Antananarivo

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny Vovonana Tantana-Faritany Antananarivo sy ny faritra Analamanga. Notonto­saina tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Kaominina Anta­nanarivo Renivohitra ny lanonana nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny taratasy manendry an-dRamatoa Ra­harivololoniaina Ninah ho mpandrindram-paritra Anala­manga sy Ramatoa Randria­narisoa Riana Raymonde ho ambasadaoro eto amin’ny faritany Antananarivo. Misokatra ho […]