Vonona hiara-kiasa sy hifanome tanana ny eo anivon’ny Antenimiera sy ny avy amin’ny CSI. Nivoitra izany tamin’ny fitsidihan’ny filoha vaovao misahana ny CSI, Andriamifidy Jean Louis, teny Tsimbazaza, omaly. Nambarany fa tanjony ny fanatanterahana ny Paikadim-pirenena vaovao hiadiana amin’ny kolikoly 2025-2030. Nambaran’Andriamiseza Alain fa tsy aty ivelany ihany no misy […]
Politika
Justice et Paix : “Tonga amin’ny kihon-dalana hanovana isika”
“Harena lehibe nirina hitondra fandrosoana, hialana amin’ny fahantrana, ny vokatry ny tany, ny vokatry ny ranomasina… Nefa indrisy lavitra ny fivoarana andrasana no hita sy tsapa”, hoy ny hafatry ny Vaomieran’ny eveka Justice et Paix. ”Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an’ny besinimaro” ny lohahevitra nampitaina omaly, taorian’ny […]
Kaominina Andriamena: Toherin’ny Avi sy ny Irmar ny voka-pifidianana
Manao angaredona. Miray feo sy mifanohana tsy manaiky ny fitsimbadihan’ny voka-pifidianana ao amin’ny kaominina Andriamena, Tsaratanàna ny mpanohana ny kandidàn’ny Avi sy ny avy amin’ny Irmar. Mitaky ny hampanjakana ny marina izy ireo. Nahazo ny 27,17% ny kandidàn’ny Avi tamin’ ny voka-pifidianana navoakan’ny SRMV sy ny Ceni. 25,82% kosa ny […]
Fanatsaran’ny Ceni fomba fiasa: Nitombo 3% ireo mpifidy voasoratra anarana
Nifarana tanteraka omaly ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ho an’ny taona 2024-2025. Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa nitombo ny isan’ireo mpifidy voasoratra anarana. Nofaranana tanteraka manerana ireo distrika 120, omaly, ny lisitry ny mpifidy nohavaozina. Notontosain’ny rantsamangaikan’ny Ceni teo anatrehan’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana eny anivon’ny distrika izany. Nivoitra tamin’izany fa miisa […]
FANTINA sy FINTINA
Nambaran’ny loharanom-baovao eo anivon’ireo solombavambahoaka fa misy depiote maromaro miketrika fitsipaham-pitokisana ny governemanta eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Ireo solombavambahoaka mpiara-dia sy mpanohana ny fitondrana ary ny eo anivon’ny Irmar ihany no ao ambadik’izany. Nihaino ny hetahetan’ny vahoaka amin’ny alalan’ireo lehiben’ny sampandraharaham-panjakana any amin’ny distrikan’i Maroantsetra ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona, […]