Nitohy omaly indray rehefa niato kely noho ny fanatanterahan’ireo solombavambahoaka ny andraikiny tany amin’ny distrika niaviany ny asan’ny vaomiera parlemantera manao ny fanadihadiana ny orinasa Jirama. Nifantoka tamin’ny fandinihana ny fomba fitantanana ireo fanampiana ara-bola omen’ny fanjakana ho an’ny orinasa Jirama ny dinika. Nifampiresahana tamin’ izany koa ny antony tsy […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho masoivoho atsy Maorisy, Ramiarinjanahary Olga, araka ny fanendrena teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha. Misolo toerana ny Jly Camille Vital, ambasadaoro teo aloha. Maromaro koa ireo sefo distrika vao notendrena. Anisan’izany ny any Antalaha, Belo ambonin’ny Tsiribirihina, Bekily, Vohipeno ary Taolagnaro. Mitaky ny fikaonandoha ho an’ny zokiolona […]
Komity Miaro ny Tolona ( KMT) : Nihaona tamin’ny filohan’ny Fanavaozana
Manara-maso sy miaro ny fitakiana natao tamin’ny hetsika sy fitakiana nataon’ny Gen Z, ny Komity Miaro ny Tolona (KMT). Antony nifanakalozan’izy ireo hevitra tamin’ny mpitondra fanjakana momba ny dinika politika izany. Nisy ny fifampiresahana nataon’ny biraon’ity Komity ity, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana […]
Tolo-kevitry ny minisiteran’ny Fitsarana: Havadika ho asa ho an’ny vahoaka ny sazy famonjana
Nivoitra tamin’izany araka ny nanambaran’ireo iraky ny minisiteran’ny Fitsarana tany an-toerana fa havadika ho asa fanasoavam-bahoaka ny sazy famonjana, manomboka izao. « Efa vonona any ny volavolan-dalàna momba izany ary hatolotra ny fahefana mpanao lalàna, eny anivon’ny Antenimierampirenena », hoy izy ireo. Ankoatra izany, nambaran’ireto delegasionina ireto fa ahazoana rosia na tapakila […]
FANTINA sy FINTINA
Nodisoin’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimamantsoa Hanitra, ny feo miely tato ho ato. Nanteriny fa tsy misy izany ambara ho fisian’ny disadisa eo amin’ny FFKM sy ny fitondram-panjakana izany. «Samy manana ny andraikitra nankininy aminy avy izahay amin’ny fikaonandoham-pirenena», hoy izy. Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry omaly […]




