Zava-dehibe ho an’ny mponina eny ifotony ny fifidianana sefo fokontany, noho izy io iankinan’ny fiainan’ny maro. Angatahan’ny antoko Fivoi ny hanaovana izany haingana. Mangataka ny hanafainganana ny fifidianana sefo fokontany ny antoko politika Fivoi, nandritra ny fampahafantarana ireo depiote sy ben’ny Tanàna voafidy rehetra teto Madagasikara, omaly, tetsy Imerintsiatosika. “Tokony […]
Politika
Fiaraha-miasa: Hanohana ny fambolena sy ny angovo i Suède
Nandray ambasadaoro roa ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nivoitra tamin’izany ny fanohizana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa. Anisan’ny masoivoho noraisin’ny filohan’ny Repoblika i Mette Sunnergren, hisahana an’i Madagasikara sy i Mozambika. Naneho ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny angovo sy ny haitao […]
Fanjavonan’ny ben’ny Tanàna: Voatendry ho PDS an’Antsiranana i Tiana Edmond
Tsy an-kiandriandry. Notendrena ho Filohan’ny delegasionina manokana (PDS) ao amin’ny kaominina Antsiranana I i Tiana Edmond. Nirosoana, omaly, avy hatrany ny famindram-pitantanana nandraisan’ny mpitantana vaovao ny tanàna. Voalaza ho anton’izany fanapahan-kevitra izany ny fanjavonan’ny ben’ny Tanàna vao voafidy fanindroany, i Djavojozara Jean Luc Desiré. Tsy fantatra mazava rahateo ny tohin’ny […]
Filankevitry ny tanànan’i Toamasina: Mbola voafidy ho filoha Ilatsaka Ibrahim
Nivory voalohany, araka ny fampiantsoan’ny Prefektioran’i Toamasina ny 3 febroary teo, ny filankevitry ny tanàna. Mbola voafidy fanindroany ho filoha Ilatsaka Ibrahim, avy amin’ny lisitry ny Irmar raha efa nitantana izany teo aloha. Nahazo ny isam-bato 10 ny tenany raha sivy kosa ny vaton’ny mpanolotsaina MTS, i Belahy Paul Henri. […]
Drafitra fampandrosoana eny ifotony: Nomena tari-dalana ireo ben’ ny Tanàna
Hohatsaraina ny fampiharana ny rafitra ifotony ho an’ny fikaonandoha sy ny drafitra fampandrosoana ny eny ifotony. Nanome ny tari-dalana momba izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nanatanteraka atrikasa fampahafantarana ny tari-dalana ho an’ireo ben’ny Tanàna vaovao sy ireo mpiara-miombon’antoka ny eo anivon’ny MFFT, ny […]