Efa afaka tsidihina ny tranonkala e-Soratra, hahafahana manatanteraka ny fisoratana anarana ana habaka, ho an’ny lisi-pifidianana, araka ny vaovao navoakan’ny Ceni (Commission Electorale Nationale Indépendante), tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Tsy voatery ho eny anivon’ny fokontany, araka izany, ny olom-pirenena, vao afaka manao izay fisoratana anarana ao anaty lisim-pifidianana izay fa […]
Politika
Me Razafimanantsoa Hanitra : « Manana ny fiandrianany sy ny safidiny ny Malagasy »
Nandray ny sekretera jeneralin’ny « Organisation des États d’Afrique, des Caraïbes et du Pacifique – OEACP », i Moussa Saleh Batraki ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, omaly. Voatsiahy tamin’izany ny lalan’ny Fanavaozana. Nitsidika ny minisitra Razafimanantsoa Hanitra, misahana ny fanavaozana, teny Antaninarenina, omaly, ny sekretera jeneralin’ny OEACP, Moussa […]
FANTINA sy FINTINA
Vahaolana natolotry ny antoko MFM ny fanomezana lanja ny faritra ho masi-mandidy. « Tsy maintsy fidiana ny filohan’ny faritra ary haverina ho 28 ny faritra, araka ny tolokevitry ny « Mafana », fony fahavelon’ny mpanorina, Rakotonirina Manandafy », hoy ny mpikambana eo anivon’ny MFLM, Randrianindrina Ignace na « Ramasy ». […]
Fikaroham-bahaolana : Hiverina hihaona ireo filoha telo mirahalahy
Nifanotrona tamin’ny filohan’ny Fanaovazana ny Repoblika, Randrianirina Michaël, mivady, niara-nivavaka tany Ankaramalaza ny alahady teo, ireo filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Nidera ary nisaotra azy ireo tamin’ny fahatongavany ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël tamin’ ny lahateniny. « Efa nihaona izahay ireo tany Antananarivo. Mihaona eto […]
Fikaonandoham-pirenena : Ho ao anaty komity teknika ny tangalamena sy ny silamo
Efa ao anatin’ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena ny eo anivon’ny FFKM. Efa nahazo toerana hiasana izy ireo ary efa voarafitra koa ny komity teknika ho an’ny fikaonandoha. Efa mitsangana ny rafitry ny komity teknika hikarakara ny fikaonandoham-pirenena. Anisan’ny asan’ izy ireo ny famaritana ny paikady hitondrana ny fihaonana. […]




