Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, afakomaly, teny Ambohitsorohitra ny Fikambanan’ny ben’ny Tanàna ho an’ny Fanavaozana na FBF. Voafidy ho filoha amin’izany Randrianamboarina Jean Pierre, ben’ny Tanànan’Ambatomarina, distrikan’i Manandriana. Malalaka ny safidy ho an’ny ben’ny Tanàna. Nanangana ny Fikambanan’ny ben’ny Tanàna ho an’ny Fanavaozana na FBF ireo lany tamin’ny lisitra tsy miankina. […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Any Taolagnaro, hatry ny omaly ny filoha teo aloha, Ravalomanana sy ny zanany, Ravalomanana Tojo ary ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randriamasinoro Rina. Nanentana ny vahoaka hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana ny diany any an-toerana, ankoatra ny fihaonana amin’ireo mpikatroka eo anivon’ny antoko. Hatao manetriketrika eny Iavoloha ny fanolorana ny tatitra ofisialy […]
Toe-draharaham-pirenena: Manomboka velon’ahiahy ireo Gen Z
Manomboka maneho hevitra sy miseho indray ireo tanora amin’izao faherintaon’ny 25 septambra izao. Tsy azoazon’izy ireo ny zava-mitranga sasany eto amin’ny firenena. Anisan’ny naneho hevitra ny eo anivon’ny Fikambanan’ny tanora any Fianarantsoa, tamin’ny alalan’ny filohany, Bekamisy Theodore. Nohitsiny fa tena tokony havahana ny vary amin’ny tsiparifary amin’ireo akaiky na ireo […]
Hetsi-pahatsiarovana : Misara-kevitra ny tanora mpitolona
Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, ny tsingerin-taonan’ny tolona 2025. Misara-kevitra momba izany anefa ireo tanora mpitolona. «Izahay filohan’ny mpianatra avy eny Vontovorona sy Ankatso, angady nananana sy vy nahitana ny tolona tamin’ny 25 septambra 2025 dia mahatsiaro tena sy matahotra». Io ny nambaran’ny solontenan’ny mpianatry ny oniversite […]
Fisintahana amin’ny hetsika 25 septambra : Handeha manokana ny Gen Ankatso sy Vontovorona
Nisintaka, niala eo anivon’ny komity mikarakara ny fanamarihana ny 25 septambra ireo mpianatra eny Ankatso sy Vontovorona. «Manahy izahay fa sao hatao fitaovana hakana vola sy hitaomana olona fotsiny amin’io hetsika io. Manana porofo amin’izany ahiahinay izany izahay mpianatra», hoy izy ireo, omaly, teny Ankatso. Na izany aza, hanao hetsika […]





