Niompana tanteraka tamin’ ireo paikady sy fandaharanasa mitondra fampandrosoana ho an’ny tapany atsimon’ny Nosy ny filankevitry ny minisitra, natao tany Toliara, omaly 14 mey. Nitarika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, natrehin’ny praiminisitra Ntsay Christian ary ireo mpikambana anaty governemanta. Nodinihina ny tetikasa efa mandeha, ny hatomboka ary ny mbola hatao […]
Politika
Herinaratra ho an’ny eny ambanivohitra: mamatsy vola 37,5 miliara Ar ny BNI Madagascar sy ny WeLight
Miara-miombon’antoka ny banky BNI Madagascar sy ny orinasa We Light hanome herinaratra ho an’ny eny ambanivohitra. Tanàna 172 hatreto no efa misitraka ny tetikasa. Mitentina 37,5 miliara Ar (7,5 tapitrisa Euro) ny famatsiam-bola omen’ny BNI hanatanterahana ny tetikasa. Hetsika tafiditra ao anatin’ny andraikitra sosialin’ny orinasa (RSE) ny BNI Madagascar ho […]
Depiote Ratsiraka Sophie: “Tsy nohajaina ny safidim-bahoaka”
Naneho ny alahelony manoloana ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna farany teo ny depiote Ratsiraka Sophie. Manahy mafy amin’ny hoavy ny tenany, tamin’izany. “Malahelo ny vahoaka mahita fa nanaovana tery vay manta ny fametrahana ny ben’ny Tanàna tsy lany. Lasa ny fiarahamonina no simba sy potika tanteraka. Satria tsy nohajaina ny safidim-bahoaka”. […]
Fampandrosoana eny ifotony: hiara-kiasa amin’ny distrika fito ry zareo Sinoa
Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, teny Tsimbazaza, ny delegasionina sinoa avy amin’ ny « China NGO Network for International Exchanges – CNIE”. Nitarika izany ny filoha lefitra, Li Jun, sy ny masoivoho, Ji Ping. Niompana tamin’ny resaka diplomasia parlemantera, amin’ny maha mpanao lalàna ny Antenimierampirenena, ny dinika ka nanamafisan’ny filohan’ny […]
Tatitry ny Bianco Tale sy sekretera jeneraly 13 naiditra am-ponja
Namoaka tatitra ho an’ny taom-piasana 2024 ny eo anivon’ny Bianco. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa maromaro ireo tomponandraikitra ambony nampidirina am-ponja. “Tokony hisarika ny saintsika: manomboka any amin’ny tale hatrany amin’ny sekretera jeneraly, nisy 58 voasaringotra tamin’ny raharaha kolikoly tamin’ny 2024. 13 tamin’izy ireo no notanana vonjimaika am-ponja”. Io no nambaran’ny […]