Politika

Antenimierampirenena : Hanomboka anio ny fivoriana tsy ara-potoana

Araka ny didim-panjakana 2026-2155, hivory tsy ara-potoana ny Antenimieram­pirenena hanomboka anio, eny Tsimbazaza. Miisa 17 ireo volavolan-dalàna hodinihina. Anisan’izany, ohatra, ny volavolan-dalàna 002/2026 tamin’ ny 15 janoary 2026, anaovana ny sata fiarovana ny fizaka-manana ara-indostrialy eto Madagasikara. Eo koa ny volavolan-dalàna 018/2026 tamin’ny 2 jona 2026, anomezan-dalana ny fankatoavana ny […]

Andrianirina Fetison ; « Fiandohan’ny fanovana ny 25 septambra »

Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sy ny sosialy (RDS), Rakoto Andrianirina Fetison. «Tsy krizy iray hafa fotsiny ny 25 septambra 2025 fa tena fiandohan’ny fanovana maharitra », hoy izy. Nam­barany fa tsy tokony ho fiovan’ny mpitondra fotsiny izany. Tokony hiafara amin’ny fitondrana […]

FANTINA sy FINTINA

Mampahatsiahy hatrany ny FFKM fa tsy fivoriana fotsiny ny dinika nasionaly. Fomba iray hifampihainoana sy hiaraha-midinika mba hitadiavana vahaolana maharitra ho an’ny firenentsika, araka ny nambaran’izy ireo, omaly. « Fomba iray hanamafisana ny fiombonam-pirenena sy ny firaisankina io. Aoka isika handray anjara sy hiara-kanorina », hoy izy ireo. Nohitsin’ny RCR, tarihin-dRazafiarison Laza, […]

Fikaonandohan’ny antoko : Mitaky ny hanavaozana ny sehatra ny MMM

Nitohy tany Manakara indray ny fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny herinandro teo. Hentitra ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, ary mbola nanamafy hatrany fa ilaina ny fametrahana faritra mahazaka tena hipetrahan’ny tena fampandrosoana. Tsy tokony hijanona eo fotsiny anefa izany, fa ilaina miara-dalana amin’izany ihany koa ny fanatanterahana ny […]

Tsingerintaon’ny tolona 2025: Tsy mampitovy fijery ny fanaovana hetsi-pahatsiarovana

Hitsingerina ny 25 septambra izao ny tolona notarihin’ny Gen Z. Hisy ny hetsi-pahatsiarovana izany izay miteraka tsy fitoviam-pijery amin’ireo ankolafin-kery isan-tsokajiny. Rindran-kira ara-pilazan­tsara, fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana… Hetsi-pahatsiarovana ny tsingerintaon’ny tolona 2025 ireo. Eo koa ny fandraisam-pitenenan’ireo tomponandraiki-panjakana, ny tsiahin’ny zava-nitranga, ny diabe Anta­nim­barinandriana-Kianjan’ny 13 mey. Hisy koa ny fitokanana takela-pahatsiarovana, ny […]