Politika

Fanatsarana ny Araben’ny Fahaleovantena : Hanoratra tantara ireo mpitantana ao Toamasina

Hametraka tantara ireo mpitantanana ao Toamasina. Anisan’izany ny lehiben’ny Fa­ritra sy ny ben’ny Tanàna. 68 taona aty aoriana, nahavitan’ny Araben’ny Fahaleovan­tena, hisy ny fanatsarana hatao. Omena endrika vaovao ny toerana, araka ny nambaran’ireo nandaha-teny, tamin’ity herinandro ity. Heverina hisarika mpizahatany ny endriky ny tanàna ary maha te- honina. Toamasina amin’ny endriny […]

Filoham-panjakana, Randrianirina Michaël: « Ilana fahasahiana ny miteny ireo vahiny mpandraharaha »

Hentitra sy nahitsy ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël manoloana ireo vahiny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny herinaratra. Anisan’ny nivoitra tamin’ny fihaonany amin’ny Malagasy miasa sy monina any Egypte izany, afakomaly. Nambarany fa misy dikany matoa tsy nahasahy niteny momba ireo vahiny mpandraharaha sady matanjaka, misahana ny herinaratra, ireo mpitondra […]

FANTINA sy FINTINA

Niseho tamin’ny alalan’ny visioconférence teo anatrehan’ny BRC Ravatomanga Mamy, omaly tatsy amin’ny Nosy Maorisy. Nisy fangatahana nataony tamin’izany. Nofaritana ho amin’ny 17 sy 18 aogositra ho avy izao ny fotoam-pitsarana handinihana ny fangatahany hahazo fahafahana vonjimaika misy anto-bola. Tsy mijanona amin’ny fanovana rafitra ihany ny fanavaozana hapetraka fa mila manova […]

Kly Randrianirina Michaël : « Miankina amin’ny dinika politika ny fifidianana »

Anisan’ny noresahin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randria­nirina Michaël, tamin’ireo Malagasy any Egypte, omaly, ny toe-draharaha politika. Nambarany fa efa tafiditra amin’ny fanombohana ny dinika politika ny fihaonany tamin’ireo filoha teo aloha, Rava­lomanana Marc sy Rajaonari­mampianina Hery. « Voafidim-bahoaka izy ireo ary efa filoham-pirenena sady raiamandreny ka tsy maintsy apetraka […]

Raharaham-pirenena : Mitsipaka marindrano ny fiaraha-mitantana ny HVM

Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny filoha nasionalin’ny antoko HVM. Anisan’ny noresahiny ny momba ny fihaonana tato ho ato sy ny fikaonandoham-pirenena. Nitondrany ny heviny ny momba ny fifampiresahana sy ny fifanatonana teo amin’ny mpitondra am-perinasa sy ireo mpitantana teo aloha. Nambarany fa nanana tanjona ny filohan’ny Fanavaozana […]