Zatovo mbola miala sakana ny toetra ananan’ny vahoaka malagasy, ka mbola ka fanjakana tokana « Etat unitaire décentralisé » aloha izao no mety amintsika, araka ny nambaran-dRazafiarison Laza. Nambarany fa rehefa matotra ny toe-tsain’ny Malagasy vao afaka miresaka federalisma izany. « Maharitra 200 taona ny fiovan’ny toe-tsaina », hoy izy. Manolotra safidy roa, fanjakana […]
Politika
Filoha nasionalin’ny MMM : « Aoka isika tsy hanaiky hozarazaraina… »
Nitohy tany amin’ny faritra Vatovavy, natao tao Mananjary ny fikaonandohan’ny antoko Malagasy miara-miainga ny faran’ny herinandro teo. Naneho ny tanjany sy ny heriny ity antoko ity tany an-toerana ary mbola nanamafy hatrany ny fametrahana ny « Faritra mahazaka tena ». Nahitsy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, tamin’ny lahateniny. « Tsy azo zarazaraina […]
Fikaonandohan’ny tanora : “Hatolotra ny FFKM ny fehin-kevitra”, hoy ny Kly Randrianirina Michaël
Nifarana ny sabotsy teo ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora, natao teny Ivato. Nisy ny hafatra nampitain’ny filohan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, tamin’izany. Notsiahiviny fa tsy misy ny fanavaozana raha tsy miaraka amin’ny tanora. Anisan’izany ny tolona natao tamin’ny taon-dasa, niarahana tamin’izy ireo ka namadihana ny pejin’ny tantaram-pirenena. « […]
Tetikasa Produir : Notsidihina ny fonenan’ireo mpifindra monina
Tonga eto amintsika, mijery ifotony ny fizotry ny fandaharanasa Produir I sy ny II, ny avy amin’ny mpamatsy vola. Mitarika izany ny mpitantana misolo tena ny Vondrona afrikanina (UA) ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Banky iraisam-pirenena, Harold Tavares. Tanjon’ny fidinana ifotony nataon’izy ireo, ny alakamisy teo, ny handinihina ny vokatra efa azon’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy midika ho fahatahorana an-dRavalomanana Marc ny nandraisan’ny filohan’ny Fanavaozana azy teny Iavoloha, araka ny nambaran’ny depioten’i Betroka, Randrianasolo Nicolas, omaly. Nambarany fa fihetsika natao ho amin’ny fitoniana sy ho an’ny tombontsoam-pirenena izany, miaraka amin’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. Mitaky mpandika teny rehefa fotoan’ny fampielezan-kevitra ireo manana olana amin’ny […]




