Politika

FANTINA sy FINTINA

Olan’ny mpitondra teo aloha ny tsy fihainoana ny fitarainan’ny vahoaka ka nitarika ny fihonganany tamin’ny taon-dasa, araka ny nambaran’ny mpitarika ny « Tsy manaiky lembenana », Raharinirina Clémence, omaly. Nomarihiny fa mandray andraikitra avy hatrany ireo tomponandraikitra rehefa misy ny olana miseho. Nahemotra amin’ny 13 oktobra, raha saika natao ny talata teo, […]

Fihaonamben’ny diplaomasia : Tafapetraka ny paikady ho an’ny 15 taona

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fihaonamben’ny diplomasia malaga­sy, rehefa naharitra herinandro, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy. Nivoitra nandritra ny fifanakalozan-kevitra ny vina sy paikady vaovao ho an’ny diplomasia malagasy mandritra ny 15 taona ho avy. Lohahevitra dimy no nodinihina tamin’izany. Voalohany ny momba ny diplaomasia mitsinjo lavitra sy stratejika. Ma­naraka izany […]

Filohan’ny Antenimierampirenena; “Mila hafainganina ny fampidinana ny vidim-piainana”

Nanomboka omaly ny fivoriana tsy ara-potoana fahatelo eo anivon’ny Antenimierampirenena. Nivoitra tamin’ny lahatenin’ity filohana Andrimpanjakana ity ny sosialim-bahoaka. “Mitaona ny fahefana mpanatanteraka izahay hanafaingana ny famatsian-jiro sy rano, ny fampidinana ny vidim-piainana, ny fandriampahalemana ary ny ady amin’ny kolikoly “. Io ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, taorian’ny nitanisany ireo […]

Zotram-pifidianana : Manara-maso ny tohin’ny fakan-kevitra ny ONU-UA

Noraisin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repo­blika, ny Kly Randria­nirina Michaël, teny Iavoloha, afakomaly, ny solontenan’ny Vondrona afrikanina (UA), Mohamed Idriss Farah sy ny avy amin’ny Firenena mikambana (ONU). Nifantoka tamin’ny toe-draharaham-pirenena ny fiha­onana ka anisan’izany ny momba ny fizotry ny dinika fakan-kevitra natao teny Ia­voloha, nanomboka ny 1 hatramin’ny 8 septambra […]

FANTINA sy FINTINA

Efa miomana amin’ny fihaonana an-tampony eo amin’i Rosia sy Afrika ny Rosianina. Nitsidika ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, teny Iavoloha, ny mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny masoivohon’i Rosia, Alexei Buriak. Voaresaka ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta sy ny fiaraha-miasan’i Rosia amin’ireo firenena afrikanina. Miangavy mafy ny mpitondra sy ny rehetra ny […]