Niatrika ny fotoam-pivavahana niaraka tamin’ireo kristianina etsy amin’ny FLM 67 ha ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, ny alahady teo. Nanao antso avo sy nanentana ny rehetra ny tenany, tamin’izany, ho amin’ny fifanomezan-tanana sy ny fifanampian’ny samy mpino. Nambarany fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ ny rehetra ny varavaran’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra […]
Politika
Filoha Rajoelina Andry: «Hanampy anareo ben’ny Tanàna aho»
Hanampy ireo ben’ny Tanàna ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana miantefa any amin’ny vahoaka sy ilain’ny vahoaka ao anatin’ny fe-potoam-piasan’izy ireo. “Natao ny fifidianana, ary matoa ianareo lany dia ankasitrahan’ny vahoaka, mamim-bahoaka, voafidim-bahoaka, indrindra miandrandra fampandrosoana avy aminareo ny vahoaka izay iantsorohanareo ny adidy masina eo anivon’ny kaominina misy […]
Governora Lylison René de Roland : “Tokony hifanaraka ny sazy sy ny kolikoly “
“Tokony hifanaraka amin’ny kolikoly natao ny fanasaziana amin’ny kolikoly “, hoy ny fanehoan-kevitry ny governoran’ny Faritra Sofia, ny jeneraly Lylison René de Roland, teny Ivandry, ny faran’ny herinandro teo, momba ny ady amin’ny kolikoly. Nofaritany fa fitaovana entina hanovana zavatra ny kolikoly. Hanovana ny mety lasa tsy mety, hanovana ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nilaza ny hanova ny fomba fiasa sy ny fanoherana ny eo anivon’ny Tim, araka ny nambaran’ny filoha nasionaliny, Ravalomanana Marc teny Avaradrano, ny sabotsy teo. Hiainga eny ifotony izany fanovana izany. Nambarany hatrany fa tsy nifanaraka tamin’ ireo mpitondra ireo ny tenany. Nirava maina indray ny fihaonana nokasain’ ny HPM […]
Andron’ny manamboninahitra lefitra : Nitaky ny hanajana ny fitsipika ny Praiminisitra
Nomarihana teo anivon’ny Vondrona mpiaro ny Andrimpanjakana ao amin’ny Primatiora (BSP) ny 1 febroary ny Andron’ny manamboninahitra lefitra. Niatrika izany ny Praiminisitra, Ntsay Christian, ka nanafatrafatra azy ireo. Nambaran’ny lehiben’ny governemanta tamin’izany ny maha zava-dehibe ny firahalahiana sy ny firaisankina amin’ ny fiatrehana ny adidy sahanin’ny tsirairay. “Takina ao anatin’izany […]