Nandray ny ambasadaoron’i Frantsa, Arnaud Guillois, tetsy Anosy, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, omaly. Nivoitra tamin’ny fifampiresahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Anisan’izany ny firosoan’ny asa ho fampandrosoana sy fanajariana ireo tanàn-dehibe amin’ny alalan’ny fandaharanasa Padev I sy II. Misitraka ny […]
Politika
Dinika any Paris momba ny “Iles Eparses”: Hitarika ny delegasionina ny praiminisitra Ntsay Christian
Efa maka bahana. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fanendrena ireo handrafitra ny vaomiera iraisana “Commission mixte”. Hisolo tena an’i Madagasikara hivory momba ny “Iles Eparses” any Paris ny 30 jona ho avy izao izy ireo. Hifampidinika sy hifampiresaka amin’ny delegasionina Frantsay momba ireo Nosy malagasy “Iles Eparses” izany delegasionina harafitra […]
Fanohanana ny fanabeazana : Hisitraka fitaovana i Vakinankaratra
Anisan’ny nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety, omaly, tao amin’ny faritra Vakinankaratra ny avy amin’ny fitaleavam-paritry ny Fanabeazana any an-toerana. Voaresaka tamin’izany ny efa nanomezana fitaovana ireo sekoly eo anivon’ny Dren Vakinankaratra sy ny hanohizana izany hatrany. Notateriny koa ny fanomanana ny fanadinam-panjakana, ny fandoavana ny “Subvention” sy ny kamaran’ireo mpitsara […]
Minisitra Sahondrarimalala: “Mahaleo tena ny fitsarana…”
Nanazava ny momba ny raharaha namoahana am-ponja ny vadin’ny Kly Rakotomamonjy Patrick ny minisitry ny Fanabezam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Nanteriny fa efa mazava ny fanambarana nataon’ny minisiteran’ny Fitsarana. “Nibaiko ny fampanoavana ny minisitry ny Fitsarana mba tsy hanohitra, hanao “Opposition” ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpamoaka didy raha nangataka fahafahana vonjimaika, […]
Famerenana ny “Iles Eparses”: Mitaky paikady diplaomatika matotra ny MMM
Nanao fanambarana, manoloana ny raharaham-pirenena, ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga (MM M). Anisan’ny nitondran’izy ireo ny heviny ny momba ireo Nosy Malagasy. Nambaran’ity antoko ity fa manana zo hitsidika ny “Iles Eparses” ny mpitondra amin’ny maha frantsay azy. “Tsy vahaolana anefa izany… Vahaolana avy aminay ny hametrahana paikady diplaomatika […]