Politika

FANTINA sy FINTINA

Namaly ireo fanakianana tato ho ato ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Donna Mara Volamiranty, manoloana ny resabe momba ny fahalasanan-dRatsiraka Celine. Nambarany fa ny filoha Rajoelina Andry no voalohany nandefa teny fampaherezana ho an’ny fianakaviana. «Tsy afaka nanatrika ny fandevenana ihany koa izy fa tsy teto an-toerana», hoy […]

Fampandrosoana eny ifotony: Nofanina momba ny teknolojia ireo kaominina

Nofanin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ireo mpitantana eny ifotony, ny herinandro teo. Niompana amin’ny tontolon’ny informatika sy ny tekonolojia izany, ka anisany nisitraka izany ny kaominina Anka­zoabo, Ankeriky, Tandrano, Ambatolahy ary ny any Fo­tivolo, any amin’ny distrikan’ Ankazoabo, faritra Atsimo Andrefana. Nifanakalo traikefa sy […]

Komity foibe sy Zaikabe fahafolo : Handinika ny fiainam-pirenena ny FFKM

Maka bahana! Hotanterahina any Mahajanga, ny volana novambra izao, ny Komity foibe faha-47 sy ny Zaikabe fahafolo eo anivon’ny FFKM. Anisan’ny hiompanan’izany ny fiainana anatin’ny fiangonana. Eo koa anefa ny fiainam-pirenena. Efa nandefa ny toromarika isaky ny faritany FFKM ho amin’ny fanomanana izany ny eo anivon’ny birao foibe. Anisan’izany ny […]

Dr Andriamahazosoa Irako Ammi : « Ny olom-baovao no afaka manova »

Anisan’ny nivoitra tamin’ny fampianarana nentin’ny filoha teo aloha eo anivon’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako, ny momba ny fanarenana ny firenena. Nahitsy ny nambarany tamin’izany tetsy Ambatonakanga. Niompana amin’ny fanamarihana telo samihafa ny teny fampianarany tamin’ny fotoam-pivavahana nanokafana ny faha-10 taon’ ny Hetsika Rohy, ny herinandro teo. Nambarany fa ilaina […]

OJM : “Voafehin’ny lalàna ny mpanao gazety”

“Tokony ho voafehin’ny lalàna hatrany ny mpanao gazety amin’ny fanatanterahany ny asany, fa tsy misy eo ambonin’ny lalàna. Eny, na tsy teratany ao amin’ny firenena: tokony hofehezin’ny lalàna eo amin’ny firenena iasany”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety, Rasoloarison Monica Harimbola, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, […]