Politika

Filoha Rajoelina Andry: « Na inona tsikera, tsy azo fafana ny zava-bita »

Tany Belo ambonin’i Tsiribihina ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Nitokana ny Lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy fonja izy tamin’izany. Tsy azo fafana ny zava-bita, na inona na inona tsikera mahazo, araka ny nambarany tamin’ny lahateny nataony. «Na inona na inona tsikera mahazo antsika, tsy azo fafana ny zava-bita. Tena miasa […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony hivoaka alohan’ny 11 septambra ny fanaikana mpifidy, araka ny voalazan’ny lalàna, taorian’ny naneken’ny HCC fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny tetiandro amin’ny fifidianana loholona natolotry ny Ceni. Andrasana izany ny ho fanapahan’ny governemanta sy ny hamoahany ny didy, 90 andro mialoha ny hanaovana ny fifidianana. Tsy mbola nesorina tamin’ny toerany […]

Fifampizaran’ny MFFT tany Malawi : Ho maoderina kokoa ny fitantanana ny fananantany

Nanatanteraka iraka tany Malawi ny delegasionin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), ny herinandro teo. Niompana tamin’ny fifanakalozana traikefa sy fampiharana ny fanavaozana ny sehatry ny fananantany ny atrikasa natao. Nambaran’ ireto iraka ireto fa tanjon’ny fihaonana ny fanatsarana ny fitantanana fananantany mba ho maoderina kokoa. «Man­dray anjara, […]

Fifidianana loholona : “Maro ny ambana ka hanitsiana ny lalàm-pifidianana”

Nanao tatitra ny atrikasa tombana natao tany Mahajanga, teny Alarobia, ny eo anivon’ny Ceni, omaly. Voaresaka koa ny fakan-kevitra amin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana. “Misy hatrany ny am­bana amin’ny zo­tram-pifidianana. Ny tombana natao no nahitana an’izay ambana izay. Nefa tsy mijanona tamin’ny atrikasa tany Mahajanga ny asa. Hodinihin’ny eo anivon’ny sekretaria […]

Fahapoizinana ara-tsakafo: Mitaky ny marina Ratsiraka Roland

Mitaky ny marina manoloana ireo fahafatesan’olona tato ho ato ny depiote Ratsiraka Roland. Anisan’izany ireo mpanakanto roa maty sy ny iray mbola tsaboina hatramin’izao. 26 ireo narary tany Antsiranana noho ny fahapoizinana ara-tsakafo. Nohitsiny fa tena heloka bevava ny lainga momba ny fahasalamam-bahoaka. Mitovy amin’ireo teny Ambohimalaza sy tany an-kafa […]