Efa tafakatra hatrany amin’ny 2 000 latsaka ny isan’ireo dosie maniry hiditra ho mpikambana eo anivon’ny governemanta voaray eny Ambohitsorohitra. Toerana minisitra eo amin’ny 30 ho eo no iadiana amin’izany, miaraka amin’ny sekreteram-panjakana. Tsiahivina fa efa ho 10 andro izao no nanambaran’ny filoha Rajoelina Andry ny handraisana izany. Hanatanteraka hetsika koa […]
Politika
Filoha Rajoelina Andry: « Tsy vahaolana ny korontana »
Nampita hafatra tao amin’ny tambajotran-tserasera ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly sy afakomaly. «Tsy vahaolana ny korontana tiana hapetraka eto amin’ny firenena », hoy izy. Nampanantena ny tenany fa hanao ny ezaka sy ny fomba rehetra hampamiratra sy hampisongadina an’ity Madagasikara ity mandra-pahatapitry ny fe-potoam-piasany. Raisiko ho iraka manokana, fanamby goavana […]
Mpitandro filaminana mihoa-pefy : « Handraisana fepetra », hoy ny Praiminisitra
Nidina teny Analakely ny lehiben’ny Governemanta Zafisambo Ruphin, omaly. Nohamafisiny fa maika ny famerenana ny filaminam-bahoaka. Nasiany tsindrim-peo ihany koa ny mpitandro filaminana mihoa-pefy. “Governemanta fisokafana no hajoro. Mbola misy ny fifampidinihana miaraka amin’ny FFKM. Ny maika dia ny famerenana ny filaminam-bahoaka”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra, ny Jly Zafisambo Ruphin […]
FANTINA sy FINTINA
Nitsangana ny raiamandreny ao an-tanànan’ Antsiranana. Nanambara izany izy ireo, omaly, ary naneho fahavononana hiara-dalana amin’ny fitakiana ataon’ny mpianatra sy ny tanora Gen Z. «Tsy ho faty ny tolona raha mbola misy ny tia tanindrazana», hoy izy ireo. Nanentana ny rehetra koa izy ireo hanatevin-daharana ny tolona. Mitaky ny hamotsorana […]
Fifidianana loholona: Mihemotra ny fametrahana ny firotsahan-kofidina
“Ny vanin’androm-pifidianana izay didim-panjakana no mamaritra azy ho amin’ny 11 desambra, tsy manan-kambara momba an’izay ny Ceni”. Io ny fanazavan’ny mpampakateny, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fifidianana loholona. Ny vanin’andro hanombohan’ny fanaterana ny antontan-taratasy firotsaha-kofidina no heverin-dry zareo ananany fahefana ny mametraka ny lamina momba izany. Rehefa tsy […]





