Politika

Fanagadrana mpiara-miasa : Naneho ny alahelony ireo mpandraharahan’ny fonja

Naneho ny alahelony ka manao antso avo amin’ny filoha sy ny praiminisitra ary ny minisitry ny Fitsarana ireo mpandraharahan’ny fonja. Notanisain’izy ireo tamin’izany ny momba ireo mpiara-miasa aminy. «Maro ireo namanay voatazona am-ponja amin’ny tsy rariny. Ao ireo enjehin’ny Pac  ka anisan’izany ny ao Mahajanga », hoy ny fanambaran’izy ireo ny […]

FANTINA sy FINTINA

Manameloka ny fanelezana vaovao diso sy fanosoram-potaka ny seraseran’ny Primatiora. Tsy marina ny fanononana anaty tambajotran-tserasera sy fampifandraisana ny anaran’ny praiminisitra Ntsay Christian amin’ny olona lazaina fa zanany lahy eto an-dRenivohitra. « Tsy manan-janaka mipetraka na mandalo eto ny praiminisitra », hoy ny fanambarana. Hifarana rahampitso ny andron’ny Vovo­nan’ny olon-dehibe « Journée nationale […]

Fikaonandoham-pirenena : Hifanatrika amin’ireo antoko politika ny Ceni

Nifarana omaly, tany Ma­ha­janga, ny atrikasa nataon’ny eo anivon’ny Ceni. Namba­ran’ny filohany, Andrianarise­do Dama Arsene, tamin’izany fa hifanatrika amin’ireo mpi­antsehatra rehetra amin’ny fifidianana izy ireo. « Mbola hialohavan’ny atrikasa eny ani­von’ny faritany aloha izany ary avy eo vao ny atrikasam-pirenena, ho fanatsarana ny zo­tram-pifidianana. Maromaro ireo tolokevitra ary samy ma­nana ny […]

Minisitra Rasata Rafaravavitafika : « Fakan-tahaka ho an’ny fampandrosoana i Singapour »

Noraisin’ny praminisitr’i Singapour, Lawrence Wong, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, afakomaly. Nivoitra tamin’izany ny dingana vitan’ity firenena ity. Nifanakalozana teo amin’ ny roa tonta tamin’izany ny resaka fampandrosoana maharitra. Tafiditra amin’ ny fifampizarana eo amin’ny samy tomponandraiki-panjakana avy any Singapour sy i Afrika «Singapore–Africa Mi­nisterial Exchange Visit – Samev» […]

FANTINA sy FINTINA

Iompanan’ny atrikasan’ny Ceni, tanterahina any Mahajanga, ny fandrefesana ny ezaka natao. Hamafisina sy faritana koa ireo mety ho ambana sy ny fisorohana izany amin’ny fifidianana, araka ny nambaran’ny filohany, Andrianarisedo Dama. Dingana manaraka ny fandravonana ny tolokevitr’ireo mpiantsehatra, hanatsarana ny fifidianana. Namoaka andalan-teny amin’izao nahalasanan’ny reniny, Ratsiraka Celine, izao ny […]