Politika

FANTINA sy FINTINA

Niantso ny mpitondra hiala amin’ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-karena ny hafatry ny eveka tany Morondava, ny alahady teo. « Ampiasaina hoentina mitia sy manompo ny mpiara-belona ny fahefana fa tsy ho amin’ny fitiavan-tena », hoy izy ireo. Tsiahivina fa naharitra telo andro ny hetsiky ny vovonan’ny olon-dehibe, eo anivon’ny Ekar. Hiompana eo […]

Praiminisitra Ntsay Christian : « Tsy kisendrasendra ny fahombiazana »

Nitondra fanazavana ny momba ny fanatanjahantena sy ny lafiny kolontsaina ny prai­ministra Ntsay Christian, omaly, tamin’ny fananganan-tsaina teny Mahazoarivo. « Tsy kisen­drasendra no nahazoana fa­hombiazana tahaka izao, ka isaorana ny filohan’ny Repo­blika, Rajoelina Andry, amin’ ny vina ananany momba ny tanora sy ny fanatanjahantena. Eo koa ny fanohanany manokana ny Barea […]

Justice et Paix : « Ilaina ny mangarahara ao anatin’ny fanjakana tan-dalàna »

Nahitsy ny eo anivon’ny Vaomieran’ny eveka Justice et Paix, eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), amin’ny hafatra nampitainy, indrindra ny momba ny fiainam-pirenena «Izao fotoana izao indrindra no ilana apetraka ny mangarahara ao anatin’ ny fanjakana tan-dalàna», hoy ny hafatry ny Vaomieran’ny eveka Justice et Paix eo anivon’ny Fivondro­namben’ny eveka eto […]

FANTINA sy FINTINA

Miahiahy ny ain’ilay vahiny voasaringotra amin’ny « Raharaha Boeing 777 » ny mpisolovava azy, Rafidison Eric. Nambarany fa takiny hatrany ny hiarovana an’ilay tompon’ny orinasa Udaan aviation, Khuhwinder Singh. « Tsy jiolahy ny olona arovanay », hoy ihany izy. Tsiahivina fa miisa 22 ireo nampidirina am-ponja amin’io raharaha io. Nampiaka-peo ny avy amin’ny mpanohitra, […]

Filoha nasionalin’ny RPSD : «Manara-dalàna tsara ny tetiandron’ny Ceni»

Naneho ny heviny ny eo anivon’ny antoko RPSD, amin’ ny alalan’ny filohany, An­drian­tsizehena Benja Urbain (Bebain), mivondrona eo anivon’ny Armada sy ny Irmar. «Manara-dalàna tsara ny nataon’ny Ceni, namoaka ny volavolan’ny datim-pifidianana loholona ny 11 desambra izao», hoy izy, omaly. Nan­teriny tamin’izany fa tokony hanaraka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana sy ny […]