“Raha mbola misy ny famonoana an’ireo zanakay, mbola tsy hiroso amin’ny fifampiresahana aloha ny Seces”, hoy ny avy amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (Seces), Andriamasinoro, teny Ankatso, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena izay iantsoana fifampidinihana. Nefa vonona amin’izany ny Seces, rehefa tonga amin’ny fitoniana sy tsy fikasihana an’ireo zanany. […]
Politika
Raharaham-pirenena : Manohana ny vahoaka ny Nonce apostolique
Manaraka akaiky ny toe-draharaham-pirenena koa ny eo anivon’ny Nonce apostolique, solontenan’ny Vatikana eto amintsika, ny Mgr Tomasz Grysa. Nambarany tamin’ny sorona Masina fitokanana Sanctuaire Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, tany Belo ambonin’i Tsiribihana fa anisan’ny miara-mizaka ireo mafy rehetra mihatra sy mahazo ny vahoaka eto amin’ny firenena koa ny eveka. « Anisan’ny […]
Praminisitra, ny Jly Zafisambo Ruphin Fortunat : “Misokatra amin’ny ankolafin-kery maro ny governemanta hijoro”
Andrasana fatratra amin’izao ny fijoroan’ny governemanta vaovao. Hanao ahoana? Misokatra amin’ny ankolafin-kery maro, araka ny nambaran’ny Praiminisitra, ny Jly Zafisambo Ruphin Fortunat, izany. “Ny governemanta hijoro eo dia governemanta misokatra amin’ny ankolafin-kery maro sy ny sehatra iombonana amin’ny fanarenana ary ho antoka amin’ny fanajana ny rafitra demokratika sy ny zon’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randriamasinoro Ny Riana, fa tsy fahavalon’ny mpitandro filaminana ny vahoaka. « Hitondra ny hetahetam-bahoaka izahay matoa nofidian’izy ireo. Atsaharo ny herisetra ary aza manavakavaka hanaovana herisetra. Sokafy ny fahafahana miteny sy maneho hevitra ahafahana mifampiresaka », hoy izy. Naneho ny heviny ny mpanakanto Bodo, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Nambarany […]
Hamerina ny filaminam-bahoaka : Minisitra telo, voatendry halina
Ho vaindohan-draharahan’ny fanjakana manomboka izao ny famerenana ny filaminam-bahoaka. Porofon’izany, 24 ora taorian’ny nanendrena ny Praiminisitra, tafapetraka ireo minisitra lehiben’ny tafika, ny zandary ary ny polisy. Sambany vehivavy no miandraikitra ity farany. Voatendry ho minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Rakotoarivelo Deramasinjaka Manantsoa. Andiany faha-18 tao amin’ny Acmil. Efa niofana tamin’ny […]





