Hidina ifotony any amin’ny faritra Menabe ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, manomboka rahampitso hatramin’ny sabotsy ho avy izao. Anisan’ny anton-diany any amin’iny faritra iny ny hanolotra ny kabeson’ny Ampanjaka Toera amin’ireo taranany sy ny kabeson’ireo miaramila roa hafa mpitari-tafika. Hisy ny lanonana ara-kolontsaina sy ny fombafomba hatao ho mariky ny […]
Politika
Fiaraha-miasan’ny MFFT sy ny Pnud: Nofanina hitady loharanom-bola ny ben’ny tanàna
Mitohy ny fampiofanana makahasika ny fitadiavana loharanom-bola ho an’ny ben’ny Tanàna. Miandraikitra ny fifampizarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fananan-tany. Anisan’ny ezahan’ny minisitera amin’izany ny fanampiana ny mpitantana eny ifotony ka anisan’ny nisitraka fampiofanana ny ben’ny Tanàna, ho an’ny faritra Analamanga, omaly. Niarahana amin’ny eo anivon’ny Pnud sy […]
Rakotoarijaona Jerry : « Sarotra ny fanaovana politika eto Madagasikara amin’izao »
Aiza ho aiza ny tontolo sy ny fanaovana politika amin’izao? Maneho ny fijeriny ny mpandrindra ny vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires Malagasy (JPRM) sady filoha nasionalin’ny Vahaolana anio sy rahampitso (Var), Rakotoarijaona Jerry: “Sarotra ny fanaovana politika eto Madagasikara amin’izao. Lasa mandalo fotoan-tsarotra ny fanaovana politika; eny, na ny mpanao politika […]
Minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle: “Tsikeraina tsy araka ny tokony ho izy ny zava-mitranga rehetra”
“Anisan’ny mampalahelo ny fitsikerana tsy araka ny tokony ho izy ny zava-mitranga rehetra eto amin’ny firenena. Fantatra fa izay no asan’ny mpanohitra”. Io ny nambaran’ ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, i Sahondrarimalala Marie Michelle, omaly, ny amin’ ny resabe atao sy voizin’ny sasany hoe tsy tonga tamin’ny fodiamandry ny vadin’ny filoha […]
Hetsika Rohy : Mila hatsaraina ny fanabeazana olom-pirenena
“Misy fanatsarana tokony hatao koa eo amin’ny fanabeazana olom-pirenena momba ny fifidianana”, hoy ny mpandrindra teknika ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Niaina Harijaona, ny amin’ny fanatsarana ny lalàna mifehy ny fifidianana ho amin’ny fandatsaham-bato manaraka. Eo koa ny amin’ny fametrahana ny demokrasia sy ny fanjakana tsara tantana amin’ny ankapobeny. Fantatry ny […]




