Mitohy ny asa na efa vita aza ny fifidianana. Nambaran’ny filoha lefitry ny Ceni fa mandray sy mihaino ary manome lanja ny hevitry ny mpiantsehatra izy ireo “Anisan’izany, ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy, mandray ny hevitry ny mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana”, hoy ny fanambarana nataon’ny Filoha lefitra voalohan’ity […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Nosalorana samboady ny faran’ny herinandro teo ireo ben’ny Tanàna, miisa 50 mianadahy any amin’ny faritra Itasy. Nitsodrano azy ireo hahavita be ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nanentana ireo ben’ny Tanàna izy mba hijery ny mahasoa ny vahoaka ao aminy sy tena hampandroso ny kaominina tantaniny. Ny momba ny […]
Fampandrosoana eny ifotony: Napetraka ny drafitra fivoaran’ny tanànan’i Mahajanga
Natolotra amin’ny fomba ofisialy ny herinandro teo ny drafi-panajariana an-tanàn-dehibe an’i Mahajanga “Plan d’Urbanisme Directeur – Pudi”. Tafiditra amin’ny fampandrosoana eny ifotony, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) izany. Efa nialohavan’ny fankatoavana natao tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 26 marsa 2025 lasa teo izany. Nambaran’ny tomponandraikitra […]
Raharaha CenHoSoa: Hanadihady ny depiote
Manomboka resahana eny Tsimbazaza ny olan’ny hopitaly miaramila. Nambaran’ny depiote fa eo am-piketrehana ny hanao fanadihadiana momba izany izy ireo. Nanapa-kevitra ny sasany amin’ireo solombavambahoaka fa hiroso amin’ny fanadihadiana parlemantera izy ireo manoloana io raharaha io. Anisan’ny mivoy izany ny depiote, Gascar Fenosoa sy ny namany. “Hiroso tsy ho ela […]
Filoha Rajoelina Andry : Nanohana ny fikambanam-behivavy ao Nosy Be
Hampiroboroboana ny fandrasain’ny vehivavy anjara amin’ny sehatra ara-tsosialy ao Nosy Be, nanolotra fanampiana manokana ho an’ireo fikambanana misy ao an-toerana, ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Misehatra amin’ny asa fivelomana maro samihafa, samy manana ny fikambanany, ny ankamaroan’ireo vehivavy monina ao an-toerana. Anisan’izany, ireo vehivavy ao amin’ny fikambanana Tia Fandrosoana. Mifantoka […]




