Politika

Praiminisitra Ntsay Christian: “Melohiko ny famafazana lainga momba ny zanaky ny filoha”

Mbola nitondra fanazavana ny “Raharaha Boeing 777” ny Praiministra Ntsay Christian. Anisan’ny noresahiny ny momba ny zanaky ny filohan’ny Repoblika. “Melohiko tanteraka koa ny famafazana lainga mahakasika ny zanaky ny filohan’ny Repo­blika”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny Anosy, omaly, nanontanian’ny mpanao gazety ny “Raharaha Boeing 777” mitondra laha­rana malagasy […]

Rajoelina Mialy : Nivoaka tamin’ny fahanginana!

Nampiaka-peo ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina R.Mialy, afakomaly. Tsy tokony hampidirina amin’izay raharaha tsy mahakasika azy ireo ny zanany. Manameloka ireo mpanely vaovao diso izy. Tsy mba fanaony! Ni­voaka tamin’ny fahanginana ny vadin’ny filo­han’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, tamin’ny sabotsy lasa teo. Namaly ireo mpikirakira tambajotran-tserasera izy, manoloana ny filazana mahakasika ny […]

FANTINA sy FINTINA

Maromaro ireo mitaky fanadihadiana par­lemantera momba ireo “Boeing 777”, miisa 5 any Iran. Anisan’izany ny depiote “Del kely”. Nambarany fa tokony hirosoana izany ary hamoahana didy tsy fahazoana mivoaka eto ny ministry ny Fitaterana. Tahaka izany koa ny antoko Leader Fanilo. “To­kony hiditra an-tsehatra ny Bianco sy ny Pac”, hoy […]

Fotodrafitrasan’ny MFFT : Notokanan’ny minisitra ny tranombakoka

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy, ny herinandro teo, ny tranombakoka sy ny efitrano fitahirizana antontan-taratasy momba ny fandrefesan-tany, etsy Anosy, ao amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Tonga nitokana izany, teny an-toerana, ny zo­ma teo, ny minisitry ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Teo koa […]

Fihetsiky ny Jly Ravalomanana Richard: Tohina sy malahelo ny Holafitry ny mpanao gazety

Namoaka fanambarana manoloana ny fihetsika nataon’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM). Nambaran’ny Holafitra tamin’izany fa tena tohina sy malahelo noho ny fihetsika sy teny izay heveriny ho tsy mendrika sy fanaovana tsinontsinona nataon’ny Jly Ravalomanana Richard izy ireo. Anton’izany ny tamin’ny […]