“Ao anatin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny vondrona Sadc, misy ny fanamafisana ny tombontsoa efa azontsika amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa, izay miompana amin’ny lafiny angovo sy ny toekarena manga”. Fanazavana nentin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny amin’izay mety ho tombontsoa azo amin’izao fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Ho vehivavy ny governoran’ny faritra Ambatosoa, izay faritra faha-24. Afaka fotoana fohy no hanendrena an’izay governora izay, araka ny fampanantenan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fidinana ifotony tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Efa eo an-tanany ny mombamomba ireo vehivavy telo kandidà amin’izany. Vita fianianana teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, […]
Depiote Rakotondrasoa Fetra: “Tsy famonoana afo ny fanaovana serasera”
“Ny minisitra isan-tokony lasa mieritreritra fa mpamono afo ny seresera. Ahitsy izay fa tsy izany ny seresera fa zavatra nianarana io, ary atao amin’ny fomba matihanina”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny vaomieran’ny serasera eo anivon’ny Antenimierampirenena, ny depiote Rakotondrasoa Fetra, manoloana ny resabe mandeha ny amin’ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza. […]
Minisitra Rasata Rafaravavitafika : “Firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara”
Nampiantso ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, ny faran’ny herinandro teo. Nampahatsiahiviny, nandritra izany, fa firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara. “Nahazoako nampahatsiahy taminy izany fotoana izany fa firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara. Malalaka amin’ ny safidy ataony koa i Madagasikara eo amin’ny lafiny fifandraisana iraisam-pirenena”. […]
FANTINA sy FINTINA
Marina hoe misy ny fisaraham-pahefana: mpanao lalàna, mpanatanteraka, mpitsara. Io no nambaran’ny mpisolovavan’ireo fianakaviana manana ny maty tamin’ny “Raharaha Ambohimalaza”, ny Me Rafidison Eric, teny Anosy, afakomaly. Tsy tokony hitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana ny fahefana mpanatanteraka, fa sahirana ny mpitsara. Nifarana teny amin’ny kianjan’ny kanto, Mahamasina, omaly, ny tsenaben’ny Firaisankina naharitra […]




