Nahitsy ny eo anivon’ny birao politikan’ny antoko Malagasy miara-miainga, Ramaroson Laurent, ary mbola nanamafy ny efa nambaran’izy ireo tany aloha. “Samy hotsarain’ny tantara amin’ny asa sy andraikitra noraisiny ary ny fanapahan-keviny ny tsirairay”, hoy izy. Mitombina izany raha miainga amin’izao toe-draharaha izao, araka ny nambaran’ity mpikambana eo anivon’ny MMM ity. […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Notebahin’ny depiote Fidy ny mpanohitra manoloana ny “Raharaha Boeing 777”. Nambarany fa efa voaozona hankahala tsotra izao ny fanoherana na marina aza ny lazaina. “Efa nanambara fa tsy nampahafantatra momba ireo fiaramanidina misy olana ireo amin’ny filoha sy ny praiminisitra ilay minisitra. Mazava izany fa tsy misy idiran’izy ireo io”, […]
Fisorohana ny kolikoly sy hosoka : Efa niomerika ny tolotra ho an’ny fananantany
Nambaran’ny tale jeneralin’ny fananantany, Razafindratsimba Vonjy, tetsy Anosy, omaly, fa efa tsy afa-miala amin’ny niomerika amin’ireo antontan-kevitra momba ny fananantany sy ny vaovao momba izany ny fitondram-panjakana ary efa miroso any amin’ny “Digitalisation”. “Efa misitraka izany Antananarivo amin’ny fanomezana anaty minitra vitsy ny Titre sy ny kadasitra ary ny Plan […]
CSI : “Mila faritana amin’ny lalàna ny kolikolim-pifidianana”
Nitondra tolo-kevitra ho fanatsarana ny lalàm-pifidianana ny eo anivon’ny Kaomity mitandro ny fahitsiana (CSI). Nivoitra tamin’izany ny kolikoly amin’ny fifidianana. “Rehefa misy mividy olona amin’ny fifidianana na manome vola olona mba hifidy ny tena, mihevitra ny rehetra hoe kolikoly izany. Nefa tsy mbola namaritra ny lalàna hoe kolikoly izany. Tsy […]
FANTINA sy FINTINA
Navoaka, rehefa voatazon’ny zandary tao Toliara sy niakatra fampanoavana, Rabevahiny Elia, avy amin’ny Otrikafo sy ny namany miisa 5 amin’ny fikambanana Mazoto. Hiakatra fitsarana ny 12 aogositra ny raharaha. Anisan’ny vesatra iampangana azy ireo ny fanoherana ny fanjakana sy ny tetikasa Base Toliara. Nanolotra ordinatera sy kojakoja ary “connexion” maimaimpoana […]




