Politika

Fanomanana ny fifidianana: hanomboka anio ny dinika fakan-kevitra

Mikarakara dinika fakan-kevitra ho fanomanana ny fifidianana ny fiadidiana ny Fana­vaozana ny Repoblika. Eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, manomboka anio 1 septambra hatramin’ny 8 septambra izao izany. Heri­nandro hakàna ny hevitr’ireo antoko politika, vondron’antoko, fikambanana sy fiarahamonim-pirenena mpanara-maso fifidia­nana ary ireo hery velona isan-tsokajiny, izy ity. Hitondrana fanavaozana sy fanatsarana ny fikarakarana fifidianana eto […]

Fampiatoana mpitsaran’ny Pac: ”Tsy mitombina ”, hoy ny sendika (SMM)

Mangataka ny hanafoanana ny didy fampiatoana ny mpitsara telo eo anivon’ny Pac ny sendika. Nambaran’izy ireo fa tsy mitombina ny anton’ny fanapahan-kevitry ny minisitera. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny biraon’ny SMM, araka ny fanambaran’ny Sendikan’ny mpi­tsara eto Madagasikara (SMM) teny Anosy, omaly. Mano­loana ny fampiatoana amin’ny asany ireo mpitsara telo teo […]

Ravalomanana Marc – lisi-pifidianana: miantso ny vahoaka hisoratra anarana

“Mitaona sy miantso ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka aho mba handray andraikitra tandridy azy avy amin’ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy.” Io ny kabarin’ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tim, Ravalomanana Marc, teny Bel’Air Ampandrana, afakomaly. Tsy maintsy atao dieny izao ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny […]

Filohan’ny Fanavaozana: “Anaovako fanaraha-maso izay nampanantenaiko”

Nitokana ny seranan-tsambon’i Mahajanga ny filohan’ny Fanavaozana, afakomaly. Nambarany nandritra izany fa hanara-maso ireo zavatra nampanantenainy izy. “Hanaovako fanara­ha-maso ny zavatra izay nampanantenaiko, rehefa tonga aho.” Io ny kabarin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tany Mahajanga, afakomaly, nitokana ny fahavitan’ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Maha-janga. Ny tsy maintsy hamita ny […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy fanatanterahana andraikitra sy tsy fahatomombanana fikarakarana antontan-draharaha ary ny tsy fanajana ireo adidy aman’andraikitra takin’ny asa. Ireo no antony fototra nampiatoana ny mpitsara telo eo anivon’ny fampanoavana ao amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), Antananarivo, araka ny fampitam-baovaon’ny fitaleavan’ny serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, omaly. Hamafisiny fa ampiharina amin’ny […]