Anisan’ny nihaonan’ny iraky ny ONU sy ny UA, teny Andraharo, ny FFKM. Notanterahina ny alakamisy teo izany. Nivoitra teo amin’ny fihaonana ny momba ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena sy ny faneken’izy ireo hanaovana ny dingana rehetra amin’izao fanavaozana izao. Zava-poana ny ezaka rehetra ataon’ny fitondram-panjakana raha tsy manomboka amintsika, araka ny lahatenin’ny […]
Politika
Fijoroana antoko politika : Mirona amin’ny sosialy sy ny maha olona ny LFN
Niampy iray indray ireo antoko politika aman-jatony. Nampahafantarina omaly, tetsy Antaninarenina, ny fijoroan’ny antoko Liana fahasoavana ny Nosiko (LFN). « Mirona amin’ny fijerena sy fiahiana ny maha olona sy ny sosialy ny fotokevitra ijoroanay. Sosialy demokraty izany », hoy ny filoha nasionaly, Andriamiharijao Solofoharijao José. Nanteriny fa tena potika ny firenena tao […]
Fikaonandoham-pirenena : Mitaky ny hanomezana sehatra ny tanora ny ONU
Nandray ireo iraka avy amin’ny Vondrona afrikanina (UA) sy ny Firenena mikambana (ONU) ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, omaly, teny Mahazoarivo. Nivoitra tamin’izany ny fikaroham-bahaolana sy ny fikaonandoham-pirenena. Nambaran’ireo delegasionina fa mahavelom-panantenana ny lalantsaina hitondrana ny fanovana eto Madagasikara. «Mangataka izahay ny handraisan’ny rehetra anjara amin’ireo dingana rehetra hotanterahina, indrindra mandritra […]
FANTINA sy FINTINA
Hanamafisana ireo fahaiza-manao ho an’ny mpiantsehatra amin’ny fikaonandoham-pirenena no hatao amin’ity jolay ity, araka ny tetiandron’ny FFKM. Manomboka amin’ny volana aogositra izao, hatramin’ny marsa 2027 kosa, ny firotsahana an-tsehatra. Miainga eny anivon’ny fokontany sy kaominina, ny distrika ary ny faritra izany. Ny fitantanan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Anisan’ny hodinihina […]
Momba ny filoha teo aloha, Rajoelina : Hodinihina eny amin’ny Antenimierampirenena
« Hodinihina mandritra ny fivoriana parlemantera tsy ara-potoana ny momba ny fitantanan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry », hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, teny Tsimbazaza. Nohamafisiny fa efa nandalo fankatoavan’ireo solombavambahoaka ny hanaovana fanadihadiana parlemantera momba izany ary efa nanaiky izany avokoa ireo depiote, mpanohana sy mpiara-dia amin-dRajoelina Andry. Nanteriny […]




