Politika

Tazomoka any Ikongo : Efa mandray andraikitra ny governemanta

Mihamahery ny tranga tazomoka any amin’ny distrikan’Ikongo, amin’ izao fotoana izao. Manoloana izany indrindra, nanao fanambarana ny minisitry ny Sera­sera sy ny kolontsaina (MCC), sady mpitondra tenin’ny gover­nemanta, Mara Volamiranty Donna, omaly. “Efa mandray andraikitra ny governemanta, miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo rafitra samihafa, araka ny toro­marika avy amin’ny filoham-pirenena, […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony hanontaniana ny hevitry ny vahoaka, araka ny hevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Firaisankina, Antananarivo V, Ralambozafimbololona Fetra, ny amin’ny dinika momba ireo Nosy malagasy any Paris, Frantsa, omaly. Tsy ho vita izay fa tokony ho nandalo teny amin’ny Antenimierampirenena ny hevitry ny delegasionina ny amin’izany. Raha vao ady […]

Safidy : “Ilana ireo mpisehatra rehetra ny fanavaozana lalàm-pifidianana”

“Ho anay manokana, efa ela no niandry ny hisian’ny fa­navaozana ny lalàm-pifidianana. Nefa ny fanokafana azy to­kony hiantsoana ireo mpisehatra rehetra”, hoy ny mpitondra tenin’ny Safidy, Razanamahefa Désirée Marie Stella, ny amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Efa ni­tondra tolo-kevitra fanatsarana ry zareo, fa ny tsara indrindra dia mamory ireo mpisehatra rehetra […]

Raharaha « Iles Eparses » : Nitaky teboka mafonja ireo delegasionina malagasy

Tontosa tao Paris, France, omaly, ny fivoriana faharoan’ny Vaomiera itambaran’ny Frantsay sy Malagasy, momba ireo Nosy malagasy. Nitarika izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny frantsay, Barrot Jean Noel, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rafaravavitafika Rasata. Araka ny vaovao voaray, omaly, avy any Paris, nitaky teboka mafonja ny delegasiona malagasy, ary […]

Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin: “Andraikitsika ny fampandriana fahalemana”

Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Miantso ny olom-pirenena rehetra aho fa ny fam­pandriana fahalemana sy ny filaminana dia andraikitsika rehetra. Isika no tokony hifa­nome tanana sy miara-mandray andraikitra amin’ny fampandriana fahalemana sy fitandroana filaminana. Isika no miara-monina eto amin’ity Nosy ity. Aleo isika handrindra ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy”. Io ny nambaran’ […]