Maromaro ireo Birao solontenan’ny fananantany iraisana (BSFI) tafapetraka tato anatin’ny herinandro, ho famahan’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny olana amin’io sehatra io. Anisan’izany ny any amin’ny distrikan’ Andilamena, ny any Nosy Varika, ny kaominina Andranomanelatra sy Vinaninkarena, distrika Antsirabe II. Teo koa ny fametrahana […]
Politika
Filankevitry ny minisitry ny Sadc : Nandray ny fitantanana i Madagasikara
Kihon-dalana farany amin’ny fivoriana, ankoatra ny an’ny Troïka, mialoha ny fihaonana an-tampon’ny filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta, ny filankevitry ny minisitra eo anivon’ny Sadc. Nandray ny fitantanana ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika. Vita teny amin’ny CCI, Ivato, omaly, ny famindram-pitantanan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny varotra iraisam-pirenena zimbabwéen, Pr […]
FANTINA sy FINTINA
Naneho hetsika teny By Pass ireo ben’ny Tanàna miisa 26 avy eny amin’ny distrika Atsimondrano. Tanjona ny hampiroboroboana ny fihavanana eo amin’izy ireo sy hanampiana ireo fianakaviana sahirana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, fa zava-dehibe ny fihavanana amin’ny fampandrosoana. Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, teny Ivato, ny sekretera […]
Fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana : Hisitraka tombana momba ny fitantanana ny kaominina
Nampahafantarina ny herinandro teo, tetsy Anosy, ny boky Tombana anatin’ny tondron’ny fitantanana ifotony (Tatfi – AEIGL). Tafiditra amin’ny ezaky ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ho amin’ny fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana miabo izany. Eo koa ny fampandrosoana ny eny ifotony. Dingana iray vita amin’ny alalan’ny Drafi-pirenena […]
Fihaonana an-tampon’ny Sadc : Folo ireo filoham-panjakana nanamafy ny fahatongavany
Efa manakaiky ny fotoana hanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Miisa folo ireo filoham-panjakana nanamafy ny fahatongavany hiatrika izany. “Eo amin’ny 600 eony delegasionina ho tonga, ary folo ireo filoham-panjakana efa nanamafy ny hahatongavany. 17 aogositra ny fivorian’ny filoham-panjakana, 15 aogositra dia efa ho tonga, ohatra, ny filohan’i Afrika Atsimo”. Io […]





