Politika

FANTINA sy FINTINA

Hentitra ny depiote Raholdina Naivo. “Tsy tokony hindram-bola eny amin’ny banky ireo matahotra TVA 20%”, hoy izy. Nohitsiny fa misy antony matoa nolanian’ny depiote ilay famerenana ny fitakiana tataovan-ketra amin’ny zana-bola indramina eny amin’ny banky. “Tsy misy mpitondra hampijaly vahoaka izany”, hoy izy. Hiara-miasa hiady amin’ny kolikoly ny parlemanta sy […]

Ady amin’ny kolikoly: Manjaka loatra ny tsimatimanota

“Manjaka loatra ny tsimatimanota no tsy nampahomby antsika amin’ny ady amin’ny kolikoly”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Kaomity mitandro ny fahitsiana (CSI), Andriami­fidy Jean-Louis, tamin’ny fanaovana tatitra momba ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly, 2025-2030, teny anivon’ny Antenimieram­pirenena, Tsimbazaza, omaly. Izay no nanaovana ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny tsimatimanota. Naha­tonga tsy nahazoana […]

Filoha Rajoelina Andry : “Efa mahatsapa fampandrosoana ny vahoaka”

Izay tratra ny fitokanana zava-bita amin’izao. Mahita izany ve ny vahoaka? “Efa mahatsapa fampandrosoana ny vahoaka”, hoy ny filoha Rajoelina Andry tany Vohibato, Faritra Matsiatra Ambony, Fianarantsoa. “Ny olona minia mikimpy sy minia tsy mandre, mankanesa ao Vohibato. Fa ny vahoakan’i Vohibato efa mahita sy mandre ary mahatsapa ny fampandrosoana […]

Antso avon’ny Ceni: “Hatsaraina ny fifidianana”

Nambaran’ny sekretera mpanatanteraka lefitra eo anivon’ny Ceni, Ravaoharinirina Hanitriniaina Liliane, omaly, fa efa misokatra izao izy ireo amin’ny soso-kevitra rehetra momba ny fifidianana. “Entaninay ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fifidianana: antoko politika, fiarahamonim-pirenena… mba handefa soso-kevitra aty amin’ny Ceni, mialoha ny 20 jolay izao ho fanatsarana ny fifidianana”, hoy izy. […]

Fanohanan’ny MFFT ny kaominina: Hanamora ny tolotra ho an’ny vahoaka ny “Matac”

Notanterahina afakomaly, tetsy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) Anosy, ny fanehoana ny vokatry ny asa vita teny anivon’ireo kaominina ho an’ny Matac/ Hanorina. Nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera fa mamaly ny fahavononan’ny fanjakana hanavao sy hanatsara ny fitantanana sy ny asa eny anivon’ny kaominina ny Matac/ […]