Mahazo tombon-dahiny hatrany ny Tafika ana habakabaka. Tonga soa aman-tsara eto Madagasikara, omaly, ny fiaramanidina LET-410 izay hampiasain’ny Tafika Malagasy. Nandray izany teny Ivato, ny filohan’ny Repoblika sady lehibe farantampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry. Nanolotra izany rahateo ho an’ny minisitera izy. Napetaka niaraka tamin’ izany ny fanevam-pirenena sy ny laharan’ny fiaramanidina […]
Politika
Depiote Tim, Randriamasinoro Ny Rina: “Miaina krizy ara-pahasalamana goavana isika”
Naneho ny heviny manoloana izao toe-draharaha eto amin’ny firenena izao ny depiote Randriamasinoro Ny Rina. Nahitsy ny nambarany. “Miaina anaty krizy ara-pahasalamana goavana ny firenena amin’izao fotoana izao”, hoy izy. Nanteriny fa mitohy miparitaka amin’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy izany. Nomarihin’ity sekretera jeneralin’ny antoko Tim ity fa mitombo 38% […]
Ben’ny Tanàna Ramanantsoa Harilala: “Miantoka ny fitiavan-tanindrazana ny fahalalana tantaram-pirenena”
65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy. Zava-dehibe ny fahalalana ny tantara. Izay no miantoka ny fananana fitiavan-tanindrazana. “Zava-dehibe eo amin’ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora ny fahalalana sy fiorenana amin’ny tantaram-pirenena. Satria izay no miantoka ny ananana fitiavan-tanindrazana latsa-paka lalina ao amin’ny tsirairay”. Io ny lahatenin’ny ben’ny Tanàn’Antananarivo […]
Antenimierampirenena: manohana ny fitantanana mangarahara ny OIF
Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, tetsy Tsimbazaza, ny solontena vaovao ho an’ny fikambanana iraisam-pirenena Frankofonia (OIF), aty amin’ny ranomasimbe Indianina, Traian-Laurentiu Hristea. Nisongadina tamin’ny fihaonana ny fahavononany ho amin’ny fiaraha-miasa ho fanohanana ireo andrimpanjakana mpanao lalàna. “Tafiditra ao anatin’izany ny amin’ny fanatanterahana ny andraikiny ho an’ny fitantanana mangarahara”, hoy izy. […]
Senatera Tsiebo Mahaleo: “Fidin’ny ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny loholona”
Hifarana amin’ny desambra ho avy izao ny fe-potoam-piasan’ireo loholona. Mba tsy hisian’ny fahabangana andrimpanjakana, tsy maintsy atrehina ny fifidianana loholona vaovao fidin’ireo mpifidy vaventy. Naneho ny heviny ny loholona Tsiebo Mahaleo. Anisan’ny mpifidy vaventy ny ho filoham-paritra sy mpanolotsaim-paritra ary ny filoham-paritany sy mpanolotsaim-paritany. Hiandry ny fifidianana azy ireo izay […]




