Politika

FANTINA sy FINTINA

Naneho ny fankasitrahany sahady ny fahatanterahan’ny fivorian’ny Sadc, andro voalohany, afakomaly, ny sekretera mpanatanteraka, Elias Magosi. Nambarany tamin’ny minisitra Rasata Rafaravavi­tafika, tetsy Anosy, izany. “Tsy nisy nokianina hatreto ka arahabaina ianareo”, hoy izy. Tsiahivina fa hifarana ny 17 aogositra ny fivoriana. Naneho ny heviny ny administratera sivily, Raholinarivo Paolo, fa […]

Fihaonamben’ny SADC : Hametrahana politikam-pampandrosoana maharitra!

Drafi-pampandrosoana stra­tejika manoritra ny fampandrosoana amin’ny faritra (RIS DP 2020-2030). Io ny ni­ompa­nan’ny andro faharoa sady fa­ran’ny fihaonan’ny tomponandraiki-panjakana ambony sy manampahaizana momba ny fampandrosoana eo anivon’ny Sadc teny amin’ny CCI, Ivato, omaly. Tena tondrozotra ho amin’ny fampandrosoana ma­haritra sy tsy anavahana ary mampitambatra ny faritra eo ani­von’ny Sadc ny […]

Fiaraha-miasa amin’ny MFFT: Manohana ny fampandrosoana eny ifotony ny Pnud

Ao anatin’ny fametrahana ny Drafitra stratejika hampandrosoana ny any atsimon’ny Nosy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) miaraka amin’ny Pnud. Noraisin’ny minisitra Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, omaly, ireo iraka avy eo anivon’ny Pnud. Nifampiresahana tamin’izany ny fanohanan’ity sampandraharahan’ny Firene­na mikambana ity ny hampandrosoana ireo distrika […]

Diamar any Eoropa : Miantso ny filoha Rajoelina Andry hanilika ireo tsy madio fo

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Diaspora manohana ny filoha Andry Rajoelina (Diamar) any Eoropa, manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. “Mampirisika ny filoha Rajoelina Andry ho hentitra ary handray fepetra hanilika ireo tsy madio fo sy tsy vonon-kiasa ho an’ny tombontsoan’ny Ma­la­gasy manoloana ny vina napetraka”, hoy izy ireo. Nan­kahery […]

FANTINA sy FINTINA

Miantso fifampiresahana eo amin’ny filohan’ ny Antenimierandoholona sy ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) ny minisitry ny Serasera sy ny kolon­tsaina, Mara Volamiranty Donna. “Afaka mifampiresaka hatrany ny ray aman-dreny sy zanaka. Tokony hifanohana hatrany ny filohan’ny Andrimpanjakana sy ny mpanao gazety”, hoy izy. Nahazo fanomezana avy amin’ny Repobli­kan’i Sina […]