Politika

Fiketrahana Masina ao Vatican : Halevina anio ao Santa Maria Maggiore ny papa Fransoa

Hitodika any Vatican, ny mason’izao tontolo izao amin’ny handevenena ny papa Fransoa. Hotante­rahina anio, amin’ny alalan’ny sorona Masina eo amin’ny kianja Bazilikan’ny Md Piera izany. Hapetraka ao amin’ny Ba­zilikan’ny “Santa Maria Maggiore”, araka ny efa hafatra napetrany ny nofo mangatsiakany. Ialoha­van’ny eokaristia Masina fitrotroana am-ba­vaka sy fisaorana an’Andriama­nitra izany. Hanao […]

Lisi-pifidianana : Efa miverina eny amin’ny distrika

Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, omaly, fa efa manomboka miverina eny anivon’ny distrika ny lisi-pifidianana rehefa nosokafana tamin’ny olom-pirenena nandritra ny 20 andro. Natao izany mba hanamarinany na hitondrany fanitsiana ny mombamomba azy, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Ceni. Araka izany, efa miroso miandalana amin’ny fandrafetana sy fampidirana ny lisitra anaty […]

Fiaraha-miasa amin’i Frantsa : Nifanakalo traikefa ny samy parlemantera

Nifanakalo hevitra sy nifampizara ho fanamafisana ny fiaraha-miasa. Tafiditra amin’ny fihaonana an-tampon’ny COI koa ny fihaonana eo amin’ny samy parlemantera. Anisan’izany ny teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza, afakomaly. Nandray ireo delegasionin’ny parlemantera frantsay ireo depiote. Nitarika azy ireo ny solombavambahoaka misolo tena an’i Frantsay, monina any ivelan’i Frantsa, i […]

Randriamasinoro Riana: “Miandrandra fiovana amin’ny COI ny vahoaka”

Nitondra ny heviny, manoloana izao nandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny COI izao ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randriamasinoro Tahiry Ny Rina. Miandry sy miandrandra ny fiavian’ireo avy any ivelany ny vahoaka ma­lagasy mba hanova kely ny tsy fandriampahalemana sy ny fahasahiranana amin’ny sakafo eto Madagasikara izay. Io raha fehezina ny fanehoan-kevitry […]

FANTINA sy FINTINA

Mbola any Frantsa, mihaona amin’ireo Malagasy ny filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Nambaran’izy ireo fa mahafinaritra ny fifankatiavan’ny Malagasy any an-toerana. «Afaka miady hevitra… Voageja ny vahoaka aty Madagasikara. Tsy afa-maneho hevitra na mahazo fandrahonana… », hoy izy ireo. Anisan’ny nisogadina teny amin’ny CCI Ivato koa […]