Politika

Fiarovana ny sisintany : Atrikasa momba ny fitaovana miasa amin’ny sehatra sivily

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Hotely Radisson Blu Ambodivona, ny alatsinainy 16 desambra 2024 teo, ny atrikasa momba ny fametrahana lisitra ireo akora na fitaovana azo ampiasaina amin’ny sehatra sivily sy miaramila. Anisan’ny mpikambana ao amin’ny Firenena mikambana i Madaga­sikara izay namoaka fehin-kevitra 1 540 momba ny fitaovam-piadiana mahery vaika. […]

FANTINA sy FINTINA

Nametraka fitoriana ny kandidà ben’ny Tanàna ao Toamasina, Ratsiraka Roland, manoloana ny voka-pifidianana any an-toerana. Tsy hanaiky resy hatramin’ny farany izahay na inona na inona mitranga, araka ny nambarany. “Aoka hifantoka amin’ity ady masina ity isika fa tsy hanao fety aloha na hanaiky horebireben’ny sasany” , hoy izy. Tokony hahintsana […]

Andriamarotafika Soava : “Tsy mandrirarira na miandry baiko ny Ceni”

“Tsy misy fandrirarirana, tsy misy hoe miandry baiko. Satria avantana amin’ny filohan’ny Ceni ny taratasy. Ho fanajana ny olona hiantefan’ny taratasy dia izay hiantefan’ny fangatahana no tokony hiandrasana ny fahatongavany”. Io ny fanazavan’ny mpam­pakatenin’ny Ceni, An­driamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny nametrahan’ireo depiote Tim taratasy ho an’ny filohan’ny Ceni […]

Fiaraha-miasan’ny MFFT sy ny Jica: hampiroboroboana ny fampivoarana ireo tanàn-dehibe

Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, omaly, tetsy Anosy, ireo Japoney manampahaizana eo anivon’ny Jica. Misahana ny fampivoarana ny tanàn-dehibe ireto manampahaizana ireto ary hiara-kiasa amin’ny MFFT. Anisan’ny iraka hotanterahin’izy ireo ny fanohanana amin’ny fandrafetana ny drafitra ho an’ny tanàn-dehibe, ka anisan’izany ny drafitra […]

Vondron’ny kandidà any Mahambo : Mitaky ny hanafoanana ny voka-pifidianana

Efa raikitra ny fitakiana sy ny tsy fahafaliana manoloana ny voka-pifidianana. Sambany tao amin’ny kaominina Mahambo no mba naneho ny firaisankinany ireo kandidà avy amin’ny firehana samihafa tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo. Anisan’ny niombon-kevitra sy niara-dia amin’ny kandidà tsy miankina ny kandidà laharana faharoa, avy amin’ny antokon’ny fitondrana Irmar. […]