“Inona moa no tena nahatonga an’io? Tapaka ny fifampitokisana amin’ny rantsamangaikan’ny Ceni. Leo ny olona, nanomboka tamin’ny 2010 hatramin’izao, tsy mbola manana fahatokisana azy ireo.” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, manoloana ny fanakianana fa tsy mandray andraikitra ny antoko politika amin’ny fanabeazana sy ny fanentanana […]
Politika
Fankalazana ny 14 oktobra : Hampisehoana ny firaisankinan’ny Faritra Sofia
Ao anatin’ny dingana farany ny fanomanana ny fankalazana ny 14 oktobra 2026, izay hotanterahina ao Anahidrano, distrikan’ Antsohihy, Faritra Sofia. Nambaran’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany, ny jeneraly Lylyson René de Rolland, izay mpiahy ny Faritra Sofia, niaraka tamin’ireo solombavambahoaka sy mpikambana ao amin’ny governemanta, izany, omaly. […]
FANTINA sy FINTINA
Nodimandry, omaly, ny filoha mpanorina ny antoko Udecma-KMTP, Randriamorasata Solo Norbert. Mpanolotsaina faratampon’ny tolom-piavotana (CSR) tamin’ny Repoblika II izy, ary tale nanorina ny gazety Fiaraha-miasa sady filoham-boninahitry ny Fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona eto Madagasikara (AJDM). Nanao fandraharahana koa izy teo amin’ny sehatry ny fitrandrahana vato, fiompiana trondro sy tantely… Foto-kevitra […]
Filohan’ny Antenimierampirenena: “Tsy valifaty ny fanadihadiana parlemantera”
“Tsy natao hanaovana valifaty politika ireo fanadihadiana atao, tsy natao hitsarana mialoha ihany koa. Ny marina no tadiavina.” Io ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, nanomboka ny fivoriana tsy ara-potoana teny Tsimbazaza, omaly. Nasiany teny tamin’ izany ny fanadihadiana parlemantera momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana nandritra ny fitondran’ny filoha teo […]
FFKM : Tafatsangana ny birao ho an’ny fikaonandoham-pirenena
Natolotry ny FFKM ofisialy teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, omaly, ireo mpikambana mandrafitra ny birao sy komity teknika hitantana ny Fikaonandoham-pirenena. Mizara 4 mazava izay birao izay. Ahitana ny filankevi-pitantanana izay misy mpitantana 17. Anisan’ny voatendry ao anatin’ny filankevi-pitantanana, ny Praiminisitra teo aloha, Ramandimbiarison Zaza sy ny mpahay toekarena, Zafimahova […]





