Nihaona tamin’ny tomponandraikitry ny Jirama ny vaomieran’ny fanadihadiana parlemantera eo anivon’ny Anterinimierampirenena momba ny Jirama, omaly. ”Tsy ho afa-maina izay nanao ny tsy mety”, hoy ny filohan’ny vaomiera nandritra izany. Tsy nitsitsy, hentitra… ny tenin’ny filohan’ny vaomieran’ny fanadihadiana parlemantera eo anivon’ny Antenimierampirenena momba ny Jirama, ny depiote Rakotoniaina Pety, teny […]
Politika
Madagasikara-Chine-Russie : Fiaraha-miasa miorina ambony fifampitokisana
Notanterahina teny Nanisana, omaly, ny lanonana nanamarihina ny faha-25 taona ny fifanarahana eo amin’i Russie sy i Chine. Mahakasika ny fiarahamonina tsara, ny fisakaizana ary ny fiaraha-miasa izany. Nampiantrano ny fotoam-pankalazana ny faha-25 taona nanaovan’i Russie sy i Chine ny fifanarahana momba ny fiarahamonina tsara sy ny fisakaizana ary ny […]
FFKM : «Miantso ny mpitondra hanohy ny fandraisana andraikitra»
“Miantso ny tomponandraikitra rehetra izahay mba hanohy hatrany ny fandraisanareo andraikitra sy ny fepetra rehetra am-pahamarinana sy am-pahitsiana ao anatin’ny fangaraharana tanteraka mba tsy hiverenan’ny loza tahaka izao intsony”. Io ny fanambaran’ny FFKM, tarihin’ny filohany, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, ny fiandohan’ny herinandro teo, manoloana ny fahaverezana olona sy famoizana […]
FANTINA sy FINTINA
Loza mitatao raha avela hitohy ny fitsaram-bahoaka, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Mampanjaka ny herisetra, ny valifaty ary ny tahotra izany. « Mila fanavaozana ny rafi-pitsarana hiverenan’ny fitokisan’ny olona. Tokony hanomboka amin’ny fanadihadiana izany ka hatramin’ny famoahana didy », hoy izy. Hiara-kiasa hiady amin’ny kolikoly ny Bianco sy […]
Fifidianana filoham-pirenena : Nametraka fepetra ny ONU sy ny UA
Noraisin’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, tetsy Antaninarenina, afakomaly, ny iraka avy amin’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), tarihin’i Idris Farah, sy ny solontenan’ny Firenena mikambana (ONU), Parfait Onanga-Anyanga. Nambaran’ireto delegasionina fa hijery sy hanara-maso ny fandrosoan’ny dingan’ny Fanavaozana izy ireo, ahafahan’ny ONU sy ny UA manohana an’i […]




