Nanome toromarika amin’ ireo dingana samihafa atao amin’ny fangatahana ny didim-pitsarana “Ordonnance” ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’ny mpampakan-teny, i Soava Andriamarotafika, fa maro ireo manontany na mangata-panazavana momba izany. Nanteriny fa tsy manavaka ary tsy mametraka fepetra ho an’ny olom-pirenena izany mba hahafahana misoratra anaty lisi-pifidianana ho an’ireo tsy tafiditra […]
Politika
Torolalana “Hay fidy” an’ny TI-IM: “Tokony hampanjakaina ny mangarahara…”
Tafiditra amin’ny fanentanana ho an’ny olom-pirenena, entin’ny Transparency International – Initiative Madagasikara “TI-IM” ny fampahafantarana ny asan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina. Notsiahivin’izy ireo amin’ilay torolalana “Hay fidy” izany. Nambaran’ny TI-IM fa manana andraikitra iadiana amin’ny kolikoly ireo mpitantana ireo. “Mampanjaka ny mangarahara eo amin’ny fitantanam-bolan’ny kaominina. Mampanjaka ny fitondrana […]
Birao maharitry ny Antenimiera: misy ketrehina haongana !
Telo volana taorian’ny nijoroan’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, miala any ny tetika fanonganana. Lasibatra ny mpitantana ny resa-bola sy ny tombontsoan’ny depiote. Nahoraka teny amin’ny Antenimerampirenena, nanomboka tamin’ny fanokafana ny fotoam-pivorian ara-potoana faharoa ny momba ny fanonganana ny birao maharitra. Raha ny angom-baovao teny Tsimbazaza, omaly, lohalisitra tamin’ny olona tokony […]
Fampivoarana ny Antenimiera: dinihina any Geneve ny momba ny teknolojia
Hatsaraina hatrany ny asan’ny Antenimiera. Manatrika ny fivorian’ny Union Interparlementaire andiany faha-149, any Genève ny solontenan’ny Antenimierampirenena. Mitarika ny delegasiona ny kestora faharoa, Andrianasolo Nadine, sy ny solombavambahoaka mpampakan-teny lefitra, Raholijaona Harson, ary ny depiote Rakotomalala Miarintsoa. Miaraka amin’ny tale misahana ny fanaovan-dalàna eny anivon’ny Antenimierampirenena izy ireo. Maromaro ny […]
Diplaomasia: marolafy ny fiaraha-miasa amin’ i Rwanda
“Tena miara-miasa akaiky i Rwanda sy i Madagasikara, izay firenena roa tena manana fifandraisana mipetraka ary mbola handalina misimisy izany fiaraha-miasa izany eo amin’ny roa tonta”. Io no nambaran’ny ambasadaoron’i Rwanda, Sem Emmanuel Hategeka, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny lapam-panjakana, Iavoloha, omaly, taorian’ny fanolorany ny taratasy fanendrena azy tamin’ny filohan’ny […]