Politika

Fotoam-pahatsiarovana : Hosokafana etsy amin’ny Kianja Barea ny 29 marsa

Homarihina ny 29 marsa izao ny faha-78 taon’ny tolom-panafahana 1947. Nambaran’ireo komity mpikarakara fa natao hetsika nasionaly ho fahatsiarovana sy fanamafisana ny soatoavina izany ka hotsarovana amin’ny toerana telo samihafa. Hanamarika ny fandaharam-potoana ho an’ny eto Antananarivo ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy izany, ny 21 marsa, etsy amin’ny Kianja Barea […]

IPAM : Hampandroso an’Antananarivo sy ny manodidina

Nanatanteraka fivoriana voalohany tetsy amin’ny La­pan’ny tanàna Analakely ireo ben’ny Tanàna mpikambana ao amin’ny Ivom-panajariana an’Antananarivo sy ny manodidina (Ipam), omaly. Fo­toana nahafahana nijery va­haolana mahakasika ny fitaterana sy ny fitantanana ny fako ary ny Jirama. Lohahevitra nodinihina ny fiantraikan’ny fitaterana amin’ny tontolo iainana sy ny vidiny. Teo koa ny […]

Vokatra “Vita malagasy” : Nentanina hanjifa ny mponina

Nidina ifotony, nifampitakosina amin’ny mpiompy sy ny mpandraharaha ny minisitry ny Fampiroboroana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, ahafahana mahafantatra ny filan’izy ireo. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra izany. Samy nanentana ny rehetra ny minisitra sy ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, VyVato Rakotovao, tao Antsi­rabe, ny herinandro teo, momba […]

FANTINA sy FINTINA

Nandray ny toerany maha tale jeneralin’ny Serasera, eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, azy i Botomiarana Donald Judicaël Tavao, omaly. Natao tetsy Anosy ny fifamindram-pitantanana teo aminy sy ny tale jeneraly teo aloha, Ratrimonirina Elias. “Tsy mora ny asa saingy olon’ny serasera isika ka misokatra”, hoy izy. Nambaran’ny depiote […]

Depiote Andriamampandry Todisoa : “Tsy maintsy miteny ny mpanohitra”

“Tadiavina hofongorina ny fanoherana eto Madagasi­ka­ra. Hamerina fitondrana jadona izany no misy? Efa ao anatin’ny demokrasia izao, fahafahan’ny olona ny miteny. Tsy maintsy miteny sy maneho ny heviny ny mpanohitra”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote Tim eo anivon’ny vondrona Fi­raisankina voafidy tao Antana­narivo VI, Andriamampandry Todisoa, momba ny anjara toeran’ny […]