Nanao tatitry ny fihaonana faharoa, natao tany Frantsa, momba ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy malagasy tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ireo delegasionina niatrika izany. Manana fanentanana betsaka ireto iraka ireto raha ny nisongadina tetsy amin’ny minisiteran’ ny Raharaham-bahiny Anosy, omaly, nanoloana ny mpanao gazety, taorian’ny dinika nifanatrehana tamin-dry zareo Frantsay, […]
Politika
INDRAY MIJERY
Hetsika fampifaliana ny ankizy ato anatin’ny faritra Analamanga. Nisy ny fizarana kilalao tao amin’ ny trano fitaizana zaza kamboty Triomphe Ambohimangakely, izay fiaraha-miasa amin’ny Project Christmas Child. Miisa 117 ireo ankizy nisitraka izany. Nandray anjara tamin’ny atrikasa fanamarinana ny Politikam-pirenena sy ny fandaharanasa nasionaly momba ny fiarovana sy ny fahasalamana […]
Faritra Vakinankaratra : Miroso ny fanamboarana ny lalana RN7
Mitohy hatrany, tahaka ny fanao isam-bolana, ny fihaonan’ny eo anivon’ny faritra Vakinankaratra amin’ny mpanao gazety. Hanasana sy iantsoana ireo tomponandraikitra isan-tokony izany. Nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety momba ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-7 ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, Vyvato Rakotovao. Nambarany fa efa miroso ny asa. Mizara roa mazava tsara ny […]
FANTINA sy FINTINA
Hentitra ny depiote Raholdina Naivo. “Tsy tokony hindram-bola eny amin’ny banky ireo matahotra TVA 20%”, hoy izy. Nohitsiny fa misy antony matoa nolanian’ny depiote ilay famerenana ny fitakiana tataovan-ketra amin’ny zana-bola indramina eny amin’ny banky. “Tsy misy mpitondra hampijaly vahoaka izany”, hoy izy. Hiara-miasa hiady amin’ny kolikoly ny parlemanta sy […]
Ady amin’ny kolikoly: Manjaka loatra ny tsimatimanota
“Manjaka loatra ny tsimatimanota no tsy nampahomby antsika amin’ny ady amin’ny kolikoly”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Kaomity mitandro ny fahitsiana (CSI), Andriamifidy Jean-Louis, tamin’ny fanaovana tatitra momba ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly, 2025-2030, teny anivon’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, omaly. Izay no nanaovana ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny tsimatimanota. Nahatonga tsy nahazoana […]





