Notanterahina ny herinandro teo, tany Ghana, ny atrikasa momba ny fitantanana ny trosa ho an’ireo fanjakana afrikanina ao anatin’ny tetezamita. Nikarakara izany ny eo anivon’ny “Institut africain de développement” ao amin’ny “Groupe de la banque africaine de développement”. Tafiditra amin’ny “Spotlight” ao anatin’ny Akademia afrikanina ho an’ny fitantanana ny vola […]
Politika
Fanatsarana fomba fiasa : Nohamoraina sy tsy ela ny fanamarinana fananan-tany
Dingana iray lehibe… Natolotry ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, teny amin’ny fari-piadidian’ny Fananan-tany, Antananarivo Renivohitra, Anosy, omaly, ny “Distributeur automatique d’information” (Dai). Vokatry ny fampiasana informatika amin’ny fangatahana taratasy fanamarinana fananan-tany (“certificat de situation juridique”) sy sarintany izany, izay azo ao anatin’ny minitra vitsy. […]
FANTINA sy FINTINA
Nanotrona ny fankalazana ny faha-23 taonan’ny antoko Tim ny avy amin’ny HVM. Nisolo tena azy ireo ny sekretera jeneraly, Rasambany Alain Desiré. Nambarany fa potika tanteraka ireo seha-pihariana rehetra ka mila fanarenana sy fanovana. Nisy ny fahanginana iray minitra ho an’ireo maty noho ny fahapoizinana sy ny any Ikongo, tetsy […]
TGV Mahajanga : Manamafy ny firaisankinany ny antoko
Notontosaina ny sabotsy teo, tany Mahajanga, ny fivorian’ireo mpikambana amin’ ny antoko politika Tanora mala Gasy Vonona (TGV). Tanjon’ity fampivoriana ity, tany an-toerana, ny hanaovana fanavaozana sy fanamafisana indray ny antoko. Eo koa ny fanamafisana ny fahavononana eo amin’ny fampandrosoana ny faritra any an-toerana, araka ny baiko efa napetraky ny […]
Tahirim-pirenena ho an’ny fananantany : Nohavaozina ny fitantanana ny tanim-panjakana
Nampahafantarin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny didim-panjakana momba ny fifanarahana fampanofana tany. Maneho ny dingana ho amin’ny fanavaozana ny fitantanana ireo tanim-panjakana izany. Nambaran’ny eo anivon’ny Tahirim-bolam-pirenena ho an’ny fananantany (FNF) ao amin’ny MFFT fa efa nivoaka sy naparitaka ny didim-panjakana mametraka ny bokim-piraketana […]





