Politika

Jly Ravalomanana Richard : “Aoka hotandrovina ny soatoavina”

Nandray ireo solontenan’ny foko 18, avy any amin’ny distrikan’i Tsiroanimandidy sy Fenoarivobe, ny filohan’ny Antenimie­randoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nirary soa ireo mpikambana hahavita be amin’ny adidy aman’andraikitra sahanina ho an’ny firenena ny tenany. Teo koa anefa ny hafatrafatra nampitainy. “Tokony hanana toe-tsaina mandala ny firaisankina sy mitandro ny soatoavina […]

Fampandrosoana ny faritra Anosy: Nofaritana ny fanajariana ho an’ny 20 taona ho avy

Efa mikendry sy mijery ny lavitra kokoa. Notanterahina nandritra ny roa andro, tao amin’ny Lapan’ny faritra Anosy, ny momba ny fanavaozana ny drafi-panajariana. Nambaran’ny tomponandraikitra nikarakara sy nisahana izany fa tonga amin’ny dingana manan-danja amin’ny fanavaozana ny drafi-panajariana ny drafitra (Srat) ny any Anôsy amin’izao fotoana izao. Anisan’ny nitarika izany […]

Famahana olan’ny herinaratra: Hanohana ny tetikasa ho an’ny angovo ny mpamatsy vola

Nandray ny delegasionin’ny Banky iraisam-pirenena ny filohan’ny Repoblika, afakomaly, teny Iavoloha. Voaresaka tamin’izany ny momba ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny angovo. Nitarika ny delegasionin’ny Banky iraisam-pirenena ny talem-paritra misahana ny fotodrafitrasa, i Wendy Hughes. Voaresaka teo aminy sy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny nanaovana jery todiky ny fiaraha-miasa. Nohama­fi­sin’ireto […]

Tany sy Fanjakana : Hanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena ny lalàna

Tsy misy olona heverina ho tsy mahalala lalàna. Na izany aza, misy dingana arahina ny fanaovan-dalàna. Misy koa ny karazana lalàna. Izay tsara ho fantatra… Fitambaran’ny fitsipika sy ny fepetra ary ny didy natao handaminana fiarahamonina iray ny lalàna. Ny fiarahamonina izany no tokony hanao ny lalàna. Mety miainga amin’ny […]

Takaitran’ny rivodoza tany Menabe: Nanampy ny traboina Rajoelina Patrick

Nambaran’ny eo anivon’ny orinasa Societé des amis de Madagascar fa amin’ny fotoan-tsarotra no tena hanaporofoana ny firaisankina sy hahalalana ny tena namana. Nampi­harin’izy ireo izany ka nitondra fanampiana ho an’ny vahoaka traboina noho ny rivodoza tany Morondava, Menabe, ity orinasa tantanin-dRajoelina Patrick ity. Tafiditra amin’ny famaliana ny antso avo nataon’ny […]