Hanome fampianarana maimaimpoana ho an’ireo mpianatra hanala fanadinana Bakalorea ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Manomboka ny alatsinainy hatramin’ny zoma 11 jolay izao izany. Atao ao amin’ny Tranompokonolona Isotry. Tanjona ny hanampiana ireo ankizy hiatrika fanadinana. Hanatsarana ny fahaizana sy ny taham-pahafaham-panadinana ho an’ny ankizy sy tanora eto Antananarivo izany. «Tsy hatao […]
Politika
Nosy malagasy : Niaro ny tontolo iainana ny Frantsay
Nitondra ho amin’ny lalana fiarovana ny tontolo iainana sy ny karazan-javamananaina ny ankolafy frantsay. Eo koa ny fikarohana siantifika, ny toekarena manga (ao anatin’izany ny fizahantany sy ny jono), ny fiarovana ny ranomasina ary ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna. Io no anisan’ny voatsiahin’ny fanambarana iombonan’ny vaomiera frantsay-malagasy momba ireo […]
Fitakiana ireo Nosy manodidina : Mitaky ny fanohanan’ny Sadc sy ny Rosianina ny Seces
Namoaka fanambarana hentitra ny eo anivon’ny Seces, omaly. Fitakiana sy famerenana manontolo ireo Nosy malagasy bodoin’ny fitondrana frantsay, nandritra ny 130 taona mahery ny lohatenin’ny fanambarana . “Miantso ary mitaky fifanohanana diplaomatika avy amin’ireo firenena sy vondrona mpiara-miombon’antoka amintsika izahay. Anisan’izany ny ONU sy ny rantsa-mangaikany, ny COI, ny Sadc […]
Tokely Justin: “Tokony hirosoana ny fahavitan-tena ara-tsakafo”
“Manoloana ny ady misy any ivelany amin’izao fotoana izao, tokony hiroso bebe kokoa amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo isika Malagasy. Efa izany rahateo no laharam-pahamehana apetraky ny fitondram-panjakana.” Io ny nambarana’ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, tamin’ny famaranana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza, omaly. Ilaina koa ny fiezahana hamokatra ny […]
FANTINA sy FINTINA
Hentitra ny baikon’ny filoha Rajoelina Andry. Handefa dokotera mpitsabo hidina ifotony hijery ny momba ilay valanaretina nahafaty olona maro any Ikongo ny fitondram-panjakana, araka ny nambarany. Nambarany koa fa homena CVO maimaimpoana ireo mponina any an-toerana, hiadiana amin’ny tazomoka. Mitaky ny marina sy ny fanadihadiana lalina momba ireo olona maty […]





