« Mitarika amina salanisa 42,3% ny kandidà Ramanantsoa Harilala eto Antananarivo. Nanaparitaka ny vaton’ny TIM ny firotsahan-dRazafinjoelina Tahiana », hoy ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Ity farany izay nitondra fanazavana mahakasika ny fifidianana ben’ny Tanàna natao teto Madagasikara, indrindra ny fironam-bokatra eto Antananarivo Nambarany, teny Ambohidahy, fa efa mitarika amin’ny isam-bato […]
Politika
Filoha Rajoelina Andry: “Isika tsy mihemotra manoloana ireo karazana tsikera”
Mbola milokaloka amin’ny vahoaka malagasy ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, omaly. ”Tsy maintsy mandroso isika, tsy mihemotra manoloana ireo tsikera”, hoy izy. “Isika kapaina vao mainka maniry, itsahina vao mainka mitsiry, haratsiana vao mainka mamokatra. Ireny fanaratsiana rehetra ireny dia toy ny zezika afafy, tsy mampihontsina antsika fa tsy maintsy […]
Safidy: “Ambany hatrany ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy”
“Mbola ambany hatrany ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy tany amin’ireo biraom-pifidianana narahin’ny Safidy maso. Eny, na niakatra aza izany ampitahaina amin’ny fifidianana kaominaly 2019”. Io ny fanambaran’ ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), notarihin’ny mpitondra teniny, Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, afakomaly, momba ny fizotran’ny fifidianana kaominaly […]
FANTINA sy FINTINA
Manomboka anio ny fialantsasatry ny mpitsara, ary hifarana amin’ny 14 janoary 2025. Na izany aza, misy hatrany ny fiandrasan-draharaha sy ny fotoam-pitsarana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny mpirakidraharaha eny amin’ny fitsarana, Herinatrehina Ella Inham, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Voafetra izay na ny fitsarana ady heloka, na ny fangatahana fahafahana […]
Minisitra Mara Volamiranty Donna : “Ny vokatra vonjimaikan’ny Ceni no azo raisina”
“Mandeha amin’ny fironan’ ny voka-pifidinana isika amin’ izao. Ny fironana ekena amin’ izao dia izay avoakan’ny Ceni ihany. Ny ankoatra an’izay, fanakorontanana sain’ny olona sy paipaikady politika tsy hisian’ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Ny dikan’izay: ny vokatra vonjimaika avoakan’ny Ceni ihany no azo raisina”. Io ny fanazavan’ny […]